Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 32: I Petera Mijoro ho Vavolombelona momba an’i Kristy


Toko 32

I Petera Mijoro ho Vavolombelona momba an’i Kristy

Jesus asks His disciples who people say that He is - ch.32-1

Nanontanian’i Jesoa ny mpianany hoe Iza Izy araka ny eritreritry ny olona.

Matio 16:13; Marka 8:27; Lioka 9:18

The disciples tell Jesus that some say He is John the Baptist, some Elias or some other Old Testament prophet - ch.32-2

Namaly ireo mpianany fa ny olona sasany dia mieritreritra fa Izy no Jaona Mpanao Batisa. Ny hafa mieritreritra fa mpaminanin’ny Testamenta Taloha Izy izay nitsangana tamin’ny maty.

Matio 16:14; Marka 8:28; Lioka 9:19

Peter tells Jesus that He is the Christ - ch.32-3

Nanontanian’i Jesoa indray ny mpianany hoe Iza Izy araka ny eritreritr’izy ireo. Hoy i Petera, “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.”

Matio 16:15–16; Marka 8:29; Lioka 9:20

Jesus explains to Peter that his testimony comes by a revelation from God - ch .32-4

Nazavain’i Jesoa fa ny fijoroana ho vavolombelon’i Petera dia tsy avy amin’ny fahalalan’olombelona. Ny fijoroany ho vavolombelona dia avy amin’ny fanambarana avy amin’Andriamanitra.

Matio 16:17

Jesus tells Peter that the true church would be founded on Him and His teachings - ch.32-5

Nampanantena an’i Petera i Jesoa fa hanome azy ny fisoronana sy ny fahefana hitarika ny Fiangonany. Ary dia hanana ny fahefana hanangana ny Fiangonan’i Jesoa eto an-tany i Petera sy ireo mpianatra.

Matio 16:18–19

Jesus tells His disciples to tell no one that He is the Christ - ch.32-6

Nasain’i Jesoa mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza hoe Izy no Kristy ny mpianany. Voalohany dia tsy maintsy hijaly Izy, hovonoina, ary hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.

Matio 16:20; Marka 8:30–31; Lioka 9:21–22