Toko 44
Nandeha Tany Jerosalema i Jesoa
Nisy olona sasany nilaza tamin’ny mpisorona sy ny Fariseo fa i Jesoa dia nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. Nieritreritra ireo Fariseo fa ny olon-drehetra dia nino an’i Jesoa. Natahotra izy ireo sao tsy hisy olona hihaino azy ireo intsony.
Jaona 11:46–48
Nanao drafitra hamonoana an’i Jesoa ireo Fariseo. Niandry Azy mba ho tonga any Jerosalema izy ireo mandritra ny andro firavoravoana amin’ny Paska.
Jaona 11:49–51, 55–57
Nandeha tany Jerosalema i Jesoa. Maro ireo olona nandre fa ho avy Izy ary dia nandeha mba hahita Azy izy ireo. Nitaingina ampondra kely i Jesoa niditra ny tanàna. Nisy mpaminany iray nanoratra fa ny Zanak’Andriamanitra dia hanao izany. Maro ireo olona nino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra. Napetrak’izy ireo tamin’ny tany mba handehanany ny sampan-drofia sy ny sasany tamin’ny akanjon’izy ireo. Nihiaka hoe hosana izy ireo ary nilaza fa i Jesoa no mpanjakan’izy ireo.
Zakaria 9:9; Matio 21:4–9; Jaona 12:1, 12–15
Tonga nijery ny zava-nitranga ny vahoaka tao Jerosalema. Nanontany izy ireo hoe iza marina moa i Jesoa. Nisy olona teo anivon’ilay vahoaka marobe nilaza tamin’izy ireo fa Izy ilay mpaminany avy any Nazareta.
Matio 21:10–11
Tezitra ireo Fariseo. Tsy tian’izy ireo ny olona hino fa i Jesoa no Mpamonjy. Fantatr’i Jesoa fa te-hamono Azy ireo Fariseo.
Jaona 11:53; 12:19, 23
Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesoa fa ho faty tsy ho ela Izy. Hijaly noho ny fahotan’ny olon-drehetra Izy ary ho faty eny amin’ny hazo fijaliana. Izy no Mpamonjy an’izao tontolo izao. Izay no antony nahatongavany tety an-tany.
Jaona 12:23–25, 27, 32–33, 47