Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 24: Natsangana tamin’ny Maty ilay Zanakavavin’i Jaïro


Toko 24

Natsangana tamin’ny Maty ilay Zanakavavin’i Jaïro

Jairus comes to see Jesus - ch.22-1

Indray andro i Jaïro, mpanapaka iray tao amin’ny Synagoga, dia nandohalika teo an-tongotry ny Mpamonjy.

Marka 5:21–22

Jairus begs Jesus to bless his daughter so that she will not die - ch.22-2

Nilaza i Jaïro fa marary mafy ny zanany vavy 12 taona. Nitalaho tamin’i Jesoa izy mba handeha hametra-tanana aminy. Nino izy fa afaka manasitrana azy i Jesoa.

Marka 5:23, 42

As Jesus accompanies Jairus home He is stopped by other people - A messenger tells Jairus that his daughter is dead - ch.22-3

Nanaraka an’i Jaïro tany an-tranony i Jesoa, kanefa nijanona Izy teny an-dalana Izy mba hanasitrana vehivavy iray. Raha mbola teo am-piresahana tamin’ilay vehivavy Izy, dia nisy olona nilaza tamin’i Jaïro fa efa tara loatra—satria maty ny zanany.

Marka 5:24–35

Jesus tells Jairus to not be sad but believe in Him - ch.22-4

Henon’i Jesoa izany resaka izany. Nilaza tamin’i Jaïro Izy tsy hatahotra fa hino Azy fotsiny.

Marka 5:36

Jesus, Peter, James and John arrive at Jairus' house - ch.22-5

Ary dia nanaraka an’i Jaïro tany an-tranony Izy. Feno olona nitomany tao an-trano vokatry ny fahafatesan’ilay zazavavy kely.

Marka 5:37–38

Jesus tells the people in Jairus' house that the girl is not dead but sleeping - ch.22-6

Nolazain’i Jesoa tamin’izy ireo fa tsy maty akory ilay zazavavy fa matory. Nihomehezan’ny olona Izy. Azon’izy ireo antoka fa maty ilay zazavavy.

Marka 5:39–40

Jesus and others go to the room where the daughter of Jairus is lying - ch.22-7

Nasain’ny Mpamonjy nivoaka avokoa ny olona rehetra afa-tsy ireo mpianany sy i Jaïro ary ny vadin’i Jaïro. Nankany amin’ny efitrano nandrian’ilay zazavavy kely izy ireo.

Marka 5:40

Jesus raises Jairus' daughter - ch.22-8

Noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany ilay zazavavy. Nodidiany mba hitsangana izy. Nitsangana izy ary nandeha. Talanjona ireo ray aman-dreniny. Notenenin’i Jesoa izy ireo mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zava-nitranga. Dia nasainy nomen-dray aman-dreniny sakafo ilay zazavavy.

Marka 5:41–43