Toko 60
Natsangan’i Petera tamin’ny Maty i Tabita
Nisy vehivavy tsara iray nantsoina hoe Tabita nipetraka tao amin’ny tanànan’i Jopa. Mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izy. Nanampy olona maro izy ary nanao zavatra tsara maro.
Asan’ny Apôstôly 9:36
Narary izy ary dia maty.
Asan’ny Apôstôly 9:37
Nandeha tany amin’i Petera ireo namany. Rehefa tonga tany izy, dia nangataka tamin’ireo naman’i Tabita mba handao ny efitrano.
Asan’ny Apôstôly 9:38–40
Nandohalika ary nivavaka i Petera, dia nilaza tamin’i Tabita mba hitsangana. Nosokafany ny masony ary nitsangana izy.
Asan’ny Apôstôly 9:40
Nampian’i Petera izy mba hitsangana. Nantsoiny ireo namany. Tamy izy ireo ary nahita fa velona izy. Nampiasa ny herin’ny fisoronana i Petera mba hamelomany an’i Tabita indray. Olona maro tany Jopa no nino an’i Jesoa Kristy rehefa nahafantatra fa velona indray i Tabita.
Asan’ny Apôstôly 9:41–42