Toko 36
Ireo Fanoharana Telo Notantarain’i Jesoa
Indray andro dia niara-nihinana sy niresaka tamin’ olona izay noeritreretin’ny maro fa mpanota i Jesoa. Nisy Fariseo maromaro nahita Azy.
Lioka 15:1–2
Ireo Fariseo dia nino fa ny olona tsara dia tsy tokony hiresaka amin’ny mpanota. Nieritreritra izy ireo fa i Jesoa dia tsy olona tsara satria niresaka tamin’ny mpanota Izy.
Lioka 15:2
Ny Mpamonjy dia te-hanampy ireo Fariseo hahatakatra ny antony niarahany tamin’ireo mpanota. Nilaza fanoharana anankitelo tamin’izy ireo Izy. Ny voalohany dia momba ilay ondry very.
Lioka 15:3; Teachings of the Prophet Joseph Smith, 277