Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 14: I Nikodemosy


Toko 14

I Nikodemosy

Nicodemus - ch.14-1

I Nikodemosy dia anisan’ny tao anatin’ny vondron’ny Jiosy anankiray izay nantsoina hoe Fariseo. Anisan’ny mpanapaka teo anivon’ny Jiosy koa Izy. Maro ireo Fariseo no tsy nino fa i Jesoa Kristy dia nirahin’Andriamanitra. Fa i Nikodemosy kosa dia nino noho ny fahagagana nataon’i Jesoa.

Jaona 3:1–2

Nicodemus comes at night to talk to Jesus - ch.14-2

Indray alina dia tonga niresaka tamin’ny Mpamonjy i Nikodemosy. Nilaza taminy i Jesoa fa raha tsy ateraka indray ny olona iray dia tsy afaka ny hiditra ny fanjakan’Andriamanitra.

Jaona 3:2–3

Nicodemus asks Jesus how a person can be born again - ch.14-3

Tsy azon’i Nikodemosy izany. Hataon’ny olona ahoana no hateraka indray? Nazavain’ny Mpamonjy fa zavatra ara-panahy izany noresahany izany. Ny hoe ateraka indray, dia tsy maintsy atao batisan’ny rano ary mandray ny Fanahy Masina ny olona iray.

Jaona 3:4–7

Jesus tells Nicodemus He is on earth to prepare a way for all men to return to Heavenly Father - ch.14-4

Nazavain’i Jesoa fa nalefa tety an-tany Izy mba hanampy antsika rehetra hiverina any amin’ny Ray any an-danitra. Nilaza Izy fa hijaly noho ny fahotantsika ary ho faty eny ambony hazo fijaliana mba hananantsika ny fiainana mandrakizay.

Jaona 3:12–17

Jesus tells Nicodemus that men need to choose the right to live in the kingdom of God - ch.14-5

Nilaza Izy fa mila mino Azy isika ary misafidy ny tsara. Raha manao ny tsara isika, dia hiaina mandrakizay ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Jaona 3:18–21