Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 37: Ireo Boka Folo


Toko 37

Ireo Boka Folo

Jesus sees ten lepers - ch.38-1

Nandeha teny amin’ny tanàna kely iray i Jesoa ka nahita boka folo. Ny boka dia olona marary. Ilay aretina dia mahatonga azy ireo ho lasa feno fery manerana ny vatan’izy ireo.

Lioka 17:12

People are afraid to go near the lepers - ch.38-2

Ireo mpitsabo dia tsy afaka nanampy ireo boka. Matahotra ny hanatona akaiky azy ireo ny olona. Tsy te-harary koa izy ireo.

Lioka 17:12

The lepers ask Jesus to heal them - ch.38-3

Nangataka an’i Jesoa ireto boka mba hositraniny. Fantatr’izy ireo fa afaka manadio ny feriny Izy.

Lioka 17:13

Jesus sent the lepers to the priests - ch.38-4

Tian’i Jesoa mba ho sitrana izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo Izy mba handeha hiseho amin’ny mpisorona.

Lioka 17:14

The lepers are healed on their way to see the priest - ch.38

Raha mbola teny an-dalana ho any amin’ny mpisorona izy ireo, dia sitrana ireo boka folo. Nadio ny ferin’izy ireo.

Lioka 17:14

One leper returns to thank Jesus - Jesus asks where the other nine are - ch.38-6

Ny iray tamin’ireo boka dia nahafantatra fa i Jesoa no nanasitrana azy ireo. Niverina nisaotra Azy izy. Nanontanian’i Jesoa ny nalehan’ireo boka sivy ambiny. Tsy niverina izy ireo. Nilaza tamin’ilay boka izay nisaotra Azy i Jesoa fa ny finoan’ilay boka no nahasitrana azy.

Lioka 17:15–19