Fivoriana alahady tolakandro
Raiso ny fanomezana atolony
Sombin-dahatsoratra
Te hiresaka momba ny fanomezan’ny fahamarinana mandrakizay mahafaoka ny zavatra rehetra aho, izay mampitombo ny fahaizantsika mandray ny zavatra hafa rehetra irian’ny Ray omena antsika, fanomezana tena manan-danja, izay rehefa ekena tanteraka sy raisina lalina ao anaty dia manazava ny sahan-kevitry ny fifaliana sy ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, ary ireo fanontaniantsika tsy voavaly: dia ny hoe tena zanak’ Andriamanitra marina tokoa isika. Mahatalanjona! Mampitolagaga! Ary tsy sarin-teny izany fahamarinana izany.
… Ary ny drafiny ho an’ny fahasambarana no lalana andehananareo. … Ary endrey izany faniriany fatratra ny mba hiverenanao any Aminy indray andro any, mba handray ireo antony mahatalanjona anomezana ireo fanomezana kanto rehetra avy Aminy dia ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy izany. …
… Afaka manantona an’i Kristy amin’ny fahatokiana ny halemem-panahiny feno fitiavana ianareo ary mandray ireo fanomezany rehetra dia ny fifaliana, ny fiadanana, ny fanantenana, ny fahazavana, ny fahamarinana, ny fanambarana, ny fahalalana ary ny fahendrena, hampitraka ny lohanareo, sy hanatsotra ny sandrinareo, ary hanokatra ny tananareo, ka vonona handray. Ary afaka mandray ireo fanomezana ireo ianareo satria efa amin’ny toerana azo antoka sy mifototra amin’ny fahalalana fa zanakavavy malalan’ Andriamanitra ianareo, zanakalahy lalain’ Andriamanitra ianareo, ary efa nomeny anareo ny Zanany lahy tonga lafatra sy masina mba hanavotra anareo, hanamarina anareo, ary hanamasina anareo.
… Avereno raisina io fanomezana io, na angamba hoe tena raiso marina amin’izay ilay izy, dia avelao izany hanova ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainanareo. Io no fomba mendrika kokoa nomanin’ Andriamanitra ho anareo tamin’ny alalan’ny fanomezany ny Zanany lahy. Misy ianareo mba hahazo fifaliana!