Fivoriana sabotsy maraina
Eo ambany masontsika mihitsy
Sombin-dahatsoratra
Feno fankasitrahana isika miaina eto an-tany amin’izao fotoana itomboan’ny Fiangonana sy ananany hery lehibe mitaona kokoa hatrany izao, indrindra fa ao amin’ny fo sy ny fiainan’ireo mpikambana ao aminy. …
Ankehitriny dia manana tempoly miisa 367 ny Fiangonana izay samy eo amin’ny ambaratongan’ny dingana famolavolana na fanorenana na fampandehanana azy avy. … Rahalahy sy ranabavy, manafaingana ny fahamasinantsika isika rehefa miaina mendrika ny hiditra ny tempoly, sy rehefa mitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo, ary rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ho an’ny tenantsika sy eo amin’ny toeran’ireo razambentsika any amin’ny lafy ilan’ny voaly. …
Hitantsika ny Tompo manafaingana ny asany ao amin’ireo misiôna. … Mihoatra noho ireo isa dia mitondra fanahy mankany amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany no tanjon’ny fanangonana. …
Hitantsika ny Tompo manafaingana ny fahafahan’ireo mpikambana ato amintsika mahazo fianarana, ary eny hatramin’ny tsy mpikambana mihitsy aza, manerana izao tontolo izao. …
Amin’izao fotoana izao dia mpianatra maneran-tany mihoatra ny 800.000 no voasoratra anarana ao amin’ny seminera sy institiota, fisoratana anarana betsaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izany. …
Sehatra iray hafa izay mampiseho ny fiantrakany lehiben’ny fampianarana ato amin’ny Fiangonana ny BYU–Pathway Worldwide. … Ny fahavitana ireo taranja dia midika fahafahana mahazo asa, ary ny fahazoana asa dia midika fiainana tsara kokoa ho an’ireo fianakaviana sy fahafahana bebe kokoa hanompo ny Tompo …
Fantatro fa eo anivon’ny vaovao tsaran’ny filazantsara dia misy ireo izay miady mafy, manana olana ara-pinoana, fisalasalana, ary fanontaniana izay toa tsy ahitam-baliny. Rahalahy sy ranabavy, i Jesoa Kristy no valiny. Atombohy Aminy. Katsaho ny fitarihan’ny tanany eo amin’ny fiainanao. Henoy Izy. …
Aoka ho fantatrao fa mahatakatra Izy.