Fivoriana alahady maraina
Ireo fanomezana lehibe indrindra maharitra mandrakizay: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny Fitsanganana amin’ny maty, ny Famerenana amin’ny laoniny
Sombin-dahatsoratra
Taona maro lasa izay dia nianatra tsianjery andininy avy ao amin’ny Baiboly ny kilasy fianaranay ny filazantsara isa-maraina. Mazava ho azy fa naleoko kokoa nisafidy ireo andalana fohy. Anisan’izany ny Jaona 11:35, izay andininy fohy indrindra ao amin’ny soratra masina, teny roa monja, “Jesoa nitomany.”
Ho ahy manokana, ny hoe Jesoa nitomany tamin’ny alahelo sy ny hafaliana dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ilay fahamarinana mahatalanjona hoe: Ilay Zanaka lahin’ Andriamanitra dia tonga ara-batana tetỳ an-tany ary nianatra araka ny nofo ny fomba hiarahana amintsika sy hitahiana antsika mandrakariva.
Rehefa mitomany noho ny alahelo na ny fifaliana isika dia mahatakatra tanteraka ny fahatsapantsika i Jesoa Kristy. Afaka ny ho eo Izy amin’ireo fotoana izay ilantsika indrindra ireo fanomezana lehibe maharitra mandrakizay, dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny Fitsanganana amin’ny maty, ary ny famerenana amin’ny laoniny …
Ny Paska ao amin’i Jesoa Kristy dia mamela antsika hahatsapa ny fankatoavan’ Andriamanitra. Izao tontolo izao dia milaza antsika ho lava loatra, fohy loatra, lehibe loatra, kely loatra, tsy ampy fahakingan-tsaina na hatsaran-tarehy na toetra ara-panahy. Amin’ny alalan’ny fiovana ara-panahy ao amin’i Jesoa Kristy kosa isika dia afaka miala amin’ny fikatsahana ny lavorary izay manakivy …
Ny drafitr’Andriamanitra amin’ny fahafahana misafidy araka ny tokony ho izy etỳ an-tany dia mamela antsika hianatra avy amin’ny zavatra iainantsika manokana … Tamim-pitiavana no nidinan’i Jesoa Kristy ho ambanin’ny zava-drehetra ary niakarany ho ambonin’ny zavatra rehetra. Mahafaly Azy ny fahalalana araka an’ Andriamanitra ananantsika hahay hamorona sy hifaly, haneho fahatsaram-panahy tsy manantena valiny, hanam-pinoana ho amin’ny fibebahana sy famelan-keloka. Ary nitomany tamin’alahelo Izy noho ny halehiben’ny fijalian’ny olona, sy ny faharatsiany, ary ny tsy rariny, izay indraindray tonga noho ny safidin’ny olona, tahaka izany koa ny lanitra sy ny Andriamanitry ny lanitra miaraka amin’izy ireo …
Izao no Paska ao amin’i Jesoa Kristy: Mamaly ireo fanirian’ny fontsika sy ireo fanontanian’ny fanahintsika Izy. Mamafa ireo ranomasontsika Izy, afa-tsy ireo ranomasom-pifaliantsika.