Fivoriana Sabotsy Tolakandro
Mankamamy ny aina
Sombin-dahatsoratra
Indraindray ny fitandroana ny aina dia mety miaraka amina ahiahy faran’izay sarotra sy mampitebiteby fatratra.
Teny roa mazàna no mifandray amin’ny fahamasinan’ny fahaterahana eto an-tany dia: ny aina sy ny safidy. Ampahany sarobidy indrindra eo amin’ny drafitra tonga lafatry ny Raintsika ny aina, ary noho ny lalàny dia ankamamiantsika ny aina, sy arovantsika ny aina, ary safidiantsika ny fanohizana ny aina raha vao manomboka miforona izany. Sarobidy amintsika ihany koa ny fahafahana misafidy, manampy amin’ny fanamafisana orina ny fanaovana safidy tsara ankatoavin’ Andriamanitra izay mitondra fahasambarana mandrakizay. …
Tsy foto-kevitra ara-pôlitika ny fikolokoloana sy ny fiarovana ny aina izay tsy mbola teraka. Lalàna ara-pitondran-tena izany izay nohamafisin’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny.
… Andeha isika hiresaka matetika kokoa amim-pangorahana sy amim-pahatakarana amin’ny fianakaviantsika, ao an-tokantranontsika, amin’ireo tanorantsika, ary ao amin’ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny kôlejin’ny loholona, mikasika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izay an’ny Tompo, sy ny fahamasinan’ny aina, ary ny fikarakarana ny zaza ao am-bohoka sy ny renin’izy ireo. …
Ho an’iza na iza mpihaino eto ka efa niaina nenina sy fanaintainana lalina vokatry ny fanalana zaza na fandraisana anjara tamin’izany no iangaviako hoe tadidio fa “Na dia tsy afaka manova ny lasa aza isika, dia Andriamanitra mahay manasitrana ny lasa.” Mety tonga amin’ny alalan’ny fahagagana avy amin’ny sorona feno fahasoavana nataony ny famelan-keloka rehefa miverina Aminy amin’ny fo manetry tena sy mibebaka ianao.
Ry rahalahy sy anabavy malalako, olana goavana ny fihenan’ny fitiavana maneran-tany ho an’ireo zaza ao am-bohoka. Mankamamy ny aina Andriamanitra. Asany sy voninahiny ny manome ny tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay ho an’ireo zanany. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia mankamany ny aina isika.