Fivoriana alahady tolakandro
Fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra
Sombin-dahatsoratra
Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy mitandrina izany isika dia afaka manana fahatokiana fa ateraky ny Fanahy. Nilaza tamin’ny mpaminany Joseph Smith ny Tompo fa ny fahatokian-tenantsika dia afaka ny “hihamahery … eo anatrehan’ Andriamanitra.”
Ny tiako holazaina amin’ny hoe fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra dia ny fananana fahatokian-tena amin’ny fanantonana an’ Andriamanitra izao dieny izao! …
Ahoana ary no hahazoantsika fahatokiana toy izany? …
… Amin’ny tenin’ny Tompo Izy tenany mihitsy dia ny fiantrana sy ny hatsaram-panahy no fomba hahazoana fahatokiana eo anatrehan’ Andriamanitra! …
Voalohany, fiantrana. …
Ny fiantrana marina ny olon-drehetra no mariky ny mpampihavana! Tsy azo ihodivirana ny tokony hananantsika fiantrana rehefa miresaka, na ampahibemaso izany na manokana. …
Ndeha isika hiangavy ny Raintsika any An-danitra mba hameno ny fontsika amin’ny fiantrana lehibe kokoa; indrindra ho an’ireo izay sarotra tiavina; satria ny fiantrana dia fanomezana avy amin’ny Raintsika any An-danitra ho an’ireo mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy. …
Izao dia andao hiresaka momba ny hatsaran-toetra. Milaza amintsika ny Tompo mba handravaka tsy an-kijanona ny eritreritsika amin’ny hatsaran-toetra. … Mahatonga ny zavatra rehetra ho tsaratsara kokoa sy ho hampialy kokoa ny hatsaran-toetra! … Hanafaka anao amin’ny eritreritra feno tahotra sy manahirana ny hatsaran-toetra. …
… Ny soa fanararaotra mahatalanjona atolotra antsika dia ny ho lasa ireo olona ilain’ Andriamanitra hahatongavantsika. …
… Manasa anao aho hitozo handray ireo dingana mba hampitombo ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ny Tompo. Ka rehefa mankany amin’ny Raintsika any An-danitra miaraka amin’ny fahatokiana lehibe kokoa isika dia ho feno fifaliana bebe kokoa ary hitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Hanomboka hiaina hery ara-panahy isika , izay mihoatra lavitra ny fanantenantsika lehibe.