2025
Fanampian’ Andriamanitra hiatrehana ny fiainana an-tany
Ho zatovo mahery! mey 2025


Fivoriana alahady maraina

Fanampian’ Andriamanitra hiatrehana ny fiainana an-tany

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Hisintona ny endrika PDF

Tsy isalasalana fa ny fanampiana mahery vaika indrindra nomen’ Andriamanitra ho an’ny fiainana an-tany, dia ny fanomezana Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy, izay hijaly mba hanonitra sy hanome famelana ireo fahotana ibebahana. …

Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra dia manolotra fanampiana hafa mba hitarihana antsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Hiresaka momba ny efatra amin’ireo aho. …

Voalohany dia hiresaka momba ny Fahazavana na ny Fanahin’i Kristy aho. Ao amin’ilay fampianarany voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrônia, dia mindrana ny tenin’ny rainy i Môrônia fa “ny Fanahy dia omena ny olona tsirairay … mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy” (Môrônia 7:16). …

Ny faharoa amin’ireo fanampiana lehibe nomen’ny Tompo mba hanampiana antsika hisafidy ny tsara dia fitambarana torolalana avy amin’ Andriamanitra voarakitra ao amin’ny soratra masina izay isan’ny drafitry ny famonjena (drafitry ny fahasambarana). Didy sy ôrdônansy ary fanekempihavanana izany.

Ny didy dia mamaritra ny lalana nosoritan’ny Ray any An-danitra mba handrosoantsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay. …

Ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana dia isan’ireo lalàna izay mamaritra ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny fanampiana hafa omen’ Andriamanitra mba hanaovana safidy tsara ihany koa dia ny fiasan’ny herin’ny Fanahy Masina. …

Isan’ireo fanampiana manan-danja indrindra avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany mahatoky ny fanomezany ny Fanahy Masina. …

Na dia efa misy aza ireo fanampiana mahery vaika hitarihana antsika eo amin’ny diantsika eto an-tany, dia mandiso fanantenana fa maro tokoa ireo izay mbola tsy vonona amin’ny fotoana voatendry hihaonany amin’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy. …

Ny fanetrentena sy ny fatokiana ny Tompo no fanafodin’izany karazana fivilian-dalana izany.