Fivoriana sabotsy tolakandro
Fiomanan’ny tena manokana mba hihaona amin’ny Mpamonjy
Sombin-dahatsoratra
Rehefa miresaka momba ny Fiaviana Fanindroany ny Filoha Nelson dia amim-panantenana ombam-pifaliana hatrany no anaovany izany. Kanefa nisy ankizivavy tao amin’ny Kilonga nilaza tamiko vao haingana fa lasa matahotra izy isaky ny voatonona ny Fiaviana Fanindroany. Hoy izy: “Matahotra aho satria hisy zavatra ratsy maro hitranga mialoha ny hiavian’i Jesoa indray.”
… Ny torohevitra tsara indrindra ho azy, sy ho anao, ary ho ahy dia ny manaraka ireo fampianaran’ny Mpamonjy. …
Tamin’ny faramparan’ny asa fanompoany teto an-tany i Jesoa Kristy dia nanontaniana hoe rahoviana Izy no hiverina indray. …
Ilay fanoharana momba ireo virijiny folo aloha no notantarain’ny Mpamonjy. …
Ny lesona manan-danja avy amin’io fanoharana io dia hoe hendry isika rehefa manaiky ny filazantsara, mikatsaka ny Fanahy Masina hiaraka amintsika ary miala amin’ny fitaka. … Tsy maintsy manao izany ho an’ny tenantsika isika.
Avy eo ny Mpamonjy dia nitantara ilay fanoharana momba ny talenta. …
Hafatra iray avy amin’io fanoharana io ny hoe Andriamanitra dia miandrandra ny hampitomboantsika ny fahaiza-manao nomena antsika, saingy tsy tiany ny hampitahantsika ireo fahaiza-manaontsika amin’ny an’ny hafa. …
Farany, ny Mpamonjy dia nitantara ilay fanoharana momba ny ondry sy osy. …
Ny lesona avy amin’ilay fanoharan’ny Mpamonjy momba ny ondry sy ny osy dia hoe mila mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana nomena antsika isika, dia ny fotoana sy ny talenta ary ireo fitahiana, mba hanompoana ireo zanak’ Andriamanitra, indrindra fa ireo izay marefo sy sahirana indrindra.
Ny fanasana atolotro an’ilay ankizy Kilonga nitaintaina nolazaiko tany aloha, sy amintsika tsirairay avy, dia ny manaraka an’i Jesoa Kristy sy mitoky amin’ny Fanahy Masina toy ny mety hataontsika amin’ny namana sarobidy iray.