2025
Ary miresaka an’i Kristy isika
Ho zatovo mahery! mey 2025


Fivoriana sabotsy hariva

Ary miresaka an’i Kristy isika

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Hisintona ny endrika PDF

Ireo mpaminany velona amin’izao androntsika izao, izay mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra mba hampianatra sy hitarika antsika, dia manasa antsika hatrany mba hanatona an’i Kristy. … Afaka misintona ohatra maro amin’ireo fanovana sy fanatsarana nambaran’ny Fiadidiana Voalohany izay novolavolaina mba hampifantoka antsika amin’i Jesoa Kristy isika. …

Andeha hojerentsika akaiky ny fiantraikan’ny sasany amin’izy ireo. Voalohany, ny famantarana ny Fiangonana.

… Io famantarana io dia maneho ilay fahamarinana fa i Kristy no ivon’ny Fiangonany ary tokony ho ivon’ny fiainantsika. …

… Io famantarana io dia marika maneho ny fitiavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy ary fampahatsiahivana tsy tapaka an’ilay Kristy velona. …

Andeha ary isika handinika ny maha-zava-dehibe ny Paska. … Raha fintinina, dia namporisihana isika mba hiova ho amina fankalazana ny Paska amin’ny fomba ambony kokoa sy masina kokoa. …

Manome fahafahana antsika hanome haja ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny sy feno fifaliana ny Paska. …

… Na dia miha-mitombo aza ny fironana misy eo amin’ireo mpikaroka ara-pivavahana Kristiana samihafa ny handray ny Fitsanganana amin’ny maty ho toy ny teny fanoharana sy famantarana, dia manamafy ny fotopampianarantsika isika hoe: “ny Fitsanganana amin’ny maty dia midika fa ireo rehetra izay niaina dia hitsangana amin’ny maty daholo, ary ny Fitsanganana amin’ny maty dia raisina ara-bakiteny.”… Nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana i Jesoa ho an’ireo fanahy velona rehetra. …

Ho famaranana dia mijoro ho vavolombelona aho fa ireo rehetra izay manaiky ny fanasan’ny mpaminanintsika velona sy ireo mpanolontsainy mba hankalaza amin-kitsimpo kokoa ireo tranga masina maneho ny Paska dia hahita fa hiha-matanjaka kokoa ny fifamatoran’izy ireo amin’i Jesoa Kristy.