2025
Manara-dia an’i Kristy
Ho zatovo mahery! mey 2025


Fivoriana sabotsy maraina

Manolotra ilay famonjena faratampony ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Hisintona ny endrika PDF

Ny zavatra niainan’ny mpisava lalana dia manome fomba amam-panao ara-tantara miavaka ary lova ara-panahy iraisana mahery vaika ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany. …

Niaina fotoan-tsarotra ny ankamaroan’ireo Olomasina mpitarika sarety tahirin-tanana saingy tsy nianjadian’ny zava-dratsy goavana. Ireo andiana mpitarika sarety tarihin-tanana roa anefa, ilay nisy an-dry Willie sy Martin, dia niaina hanoanana, hatsiaka mamirifiry, ary fahafatesana maro. …

Tamin’ny 4 ôktôbra 1856 ny Filoha Brigham Young no nahafantatra voalohany mikasika ny toe-javatra mampidi-doza niainan’ireo andiany ireo. …

Nangataka ireo eveka izy mba hanome ampondra 60 sy sarety 12 na mihoatra, ary lafarinina 12 taonina (10.886 kg) ka nanambara hoe: “Mandehana dia ento aty ireo olona izay eny amin’ny lemaka amin’izao.”

… Raha tsy nisy ilay vonjy voina tonga ara-potoana dia mety efa ho maro no efa nodimandry. …

Raha tsy nisy ny Sorompanavotana, dia tsy afaka mamonjy ny tenantsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana isika. …

Mandritra ity vanim-potoan’ny Paska ity, dia ao amin’ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotana nataony ny fifantohantsika. Manome fanantenana sy fahazavana ny Sorompanavotana, amin’izao fotoana izao izay ho an’ny sasany dia toa maizina sy mahonena. …

Handroso tolo-kevitra telo aho izay heveriko fa manan-danja ho an’izao androntsika izao.

Voalohany, aza atao tsinontsinona ny maha-zava-dehibe ny fanaovana izay vitantsika mba hamonjena ny hafa amin’ny olana ara-batana, ary indrindra indrindra ara-panahy.

Faharoa, ekeo amim-pankasitrahana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. …

Ny torohevitro fahatelo dia ny fanokanana fotoana tsy tapaka mba handinihana amim-pahatokiana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Maro ny fomba azo anaovana izany amin’ny fomba fitondrantsika tena manokana eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Na izany aza dia ny fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia manan-danja manokana.

Mitovy lanja amin’izany koa ny fanatrehana fotoana matetika any amin’ny tempoly raha azo atao. …

… Manolotra ilay famonjena faratampony amin’ireo fitsapana atrehantsika eto amin’ity fiainana ity ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.