2025
Manao ahoana izany ao anatin’ny Amboaram-peon’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izany?
Ho zatovo mahery! mey 2025


Manao ahoana izany ao anatin’ny Amboaram-peon’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izany?

Tsy olana ho an’ireto zatovo mahatalanjona ireto ny nihira teo anatrehan’izao tontolo izao!

zatovo

Ankavia mankany ankavanana: Grant, Lindy, Emiko, ary josh

“Afaka mikasika ny saintsika sy ny fontsika ny teny, kanefa raha ny fahitako azy dia afaka mipaka avy hatrany any amin’ny ati-fanahy ny hira.”

Lindy M.

“Ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fihirana dia tsy natao hotazonina ho an’ny tenanao. Natao hozaraina ho fijoroana ho vavolombelona izany.”

Emiko A.

“Tena niray hina ny rehetra tao amin’ny amboaram-peo. Tena nifamihina tao amin’ny firaisan-kina tokoa ny fonay.”

Grant C.

“Tena nanefy ny fiainako tokoa ny hira nifantoka tamin’i Jesoa Kristy, ary fantatro fa afaka mizara izany fitiavana izany amin’ny olona manerana izao tontolo izao koa isika amin’ny alalan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.”

Josh H.