2025
Sitrana ara-panahy ao Aminy
Ho zatovo mahery! mey 2025


Fivoriana sabotsy maraina

Sitrana ara-panahy ao Aminy

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Hisintona ny endrika PDF

Ilay Mpanasitrana Lehibe dia hanasitrana ny rofintsika rehetra, na ara-batana na ara-pihetseham-po, amin’ny fotoana voatondrony. Fa eo am-piandrasana ny hahazo fanasitranana ara-batana, moa ve ny olona iray afaka ny ho sitrana tanteraka ara-panahy? …

Miteraka fanantenana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ahitako fanantenana ny fiezahana ho sitrana tanteraka, fahasitranana tanteraka izay ateraky ny finoana an’i Jesoa Kristy. Mampitombo ny fanantenako hahazo fanasitranana ny finoana Azy, ary izany fanantenana izany dia manamafy ny finoako an’i Jesoa Kristy. Fitsingerenana mahery vaika izany. …

Ny hoe sitrana tanteraka dia midika hoe tomombana sy feno. Mitovy amin’ireo virijina dimy hendry izay nanana fanala feno menaka rehefa tonga ny mpampakatra, dia afaka ny ho sitrana tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy isika rehefa fenointsika solika mpamelon’ny fiovam-po ho Azy ny fanalantsika. …

Didiana isika mba hizara ny fahazavany. Koa hazony ho feno ny solikin’ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy ny fanalanareo ary miomàna hihazona ny fanalanareo ho voakarakara sy mirehitra mazava tsara hatrany. Avy eo dia aoka hamiratra izany hazavana izany. Rehefa mizara ny fahazavantsika isika, dia mitondra eo amin’ny hafa ny fitoniana atolotr’i Jesoa Kristy, mihalalina ny fiovam-pontsika ao Aminy, ary afaka ny ho sitrana tanteraka isika na dia mbola eo am-piandrasana fanasitrana ara-batana aza. Ary rehefa avelantsika hamiratra ny hazavantsika, dia afaka ny ho faly isika na dia mbola eo am-piandrasana aza. …

Ry rahavavy sy anadahy, eny no valiny, afaka ny ho sitrana ara-panahy isika, na dia eo am-piandrasana ny fanasitranana ara-batana sy ara-pihetseham-po aza. Ny fahasitranana tanteraka dia tsy voatery hidika hoe famerenana amin’ny laoniny ny ara-batana sy ny ara-pihetseham-po eo amin’ity fiainana ity. Ny fahasitranana tanteraka dia ateraky ny finoana sy ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy ary ny famelana ny fahazavan’izany fiovam-po izany hamiratra.