2025
Toy ny ankizy madinika
Ho zatovo mahery! mey 2025


Fivoriana sabotsy maraina

Toy ny ankizy madinika

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Hisintona ny endrika PDF

“…niantso zazakely anankiray hankeo aminy [i Jesoa], …

“Ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.

“Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.” …

…Inona no nahatonga an’i Kristy Izy tenany mihitsy hilatsa-dranomaso ao amin’ilay tranga iray feno fitiavana indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna? Inona no nampianarin’i Jesoa rehefa nampidina afo avy an-danitra sy ireo anjely mpiambina Izy mba hanodidina ireo ankizy ireo, sady nandidy ny olon-dehibe mba “[hijery] ny madinik[’izy ireo]”?

Tsy fantantsika ny zavatra izay nandrisika izany rehetra izany, fa mihevitra aho fa misy hidirany amin’ny fahadiovan’izy ireo sy ny tsy fananany tsiny, ny fanetrentenany hatrany am-bohoka, ary ny zavatra izay mety ho entin’izany eo amin’ny fiainantsika. …

Saingy tena tia Azy ny ankizy, ary izany fitiavana izany dia afaka miantraika amin’ny fifandraisany hafa eo amin’ny fainany. Amin’ny ankabeazany, na dia mbola kely aza ny zaza dia tena mora mitia, tena mora mamela heloka, ary mihomehy amin’ny endrika finaritra, hany ka mambabo ny fo izay farany mangatsiaka sy mafy.

Dia mitohy hatrany hatrany ny lisitra. Fahadiovana? Fatokiana? Herim-po? Toetra? …

Ry ranabavy sy rahalahy ary namana, ny voalohany indrindra amin’ny lisitr’ireo sary tsara indrindra fantatro dia ahitana zaza sy ankizy ary tanora izay misaina sy sarobidy tahaka ireo izay noresahintsika androany. Mijoro ho vavolombelona aho fa endrika maneho ny fanjakan’ Andriamanitra miroborobo ety an-tany amin’ny heriny sy ny hatsaran-tarehiny rehetra izy ireo.