Fivoriana alahady maraina
Ny andro fampodiana ny zavatra rehetra
Sombin-dahatsoratra
Ny fanorenana tamin’ny fomba ara-dalàna Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia vokatra faratampon’ny fifampitohizan’ireo zavatra niainana feno fahagagana. …
Ny fisehoan’ny Ray sy ny Zanaka tamin’i Joseph Smith, ny fandikana sy ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana dia zavatra notakina mialoha ny fanorenana ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny 195 taona lasa izay.
… Herintaona taorian’ny nanorenana ny Fiangonana, dia nampianatra an’i Joseph Smith ny Tompo fa ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia “[n]ankinina amin’ny olona eto an-tany” indray ary “hikodiadia hatrany am-paran’ny tany ny filazantsara[n’i Jesoa Kristy], toy ny vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana.”
Mijoro ho vavolombelona aho: Manatanteraka ny fampanantenany ny Tompo. …
… Ho ampahany amin’ny fampodiana ny zavatra rehetra amin’ny andro farany efa naminaniana, dia ireo mpaminany sy apôstôly fahiny mihitsy no nanome ny fahefan’ny fisoronana an’i Joseph Smith ary nanankina ireo fanalahidin’ny fisoronana taminy. …
Ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany dia “lohahevitra iray izay mahaliana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny taona rehetra; lohahevitra iray izay nandrasan’ny mpaminany, mpisorona ary mpanjaka tamim-pifaliana miavaka mihitsy, efa nandrandrain’izy ireo tamim-pifaliana tokoa ny vaninandro iainantsika izao; ary niredareda ny fanantenan’ny lanitra sady faly, nihira izy ireo ary nanoratra sy naminany ity androntsika ity.”. …
Ny “vaovao mahafaly” manan-danja sy be voninahitra indrindra dia ilay hafatra fa naverin’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany amin’ny andro farany.
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao, izay naverina tamin’ny laoniny.