2025
Fanehoana fanajana ho an’ireo zavatra masina
Ho zatovo mahery! mey 2025


Fivoriana alahady tolakandro

Fanehoana fanajana ho an’ireo zavatra masina

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Hisintona ny endrika PDF

Amin’ny maha-mpianatrr’i Jesoa Kristy antsika dia asaina isika hamboly ny fanomezam-pahasoavan’ny fanehoana fanajana eo amin’ny fiainantsika mba hisokafantsika amin’ny fifandraisana lalina kokoa amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany, izay sady hampatanjaka ny toetrantsika ara-panahy ihany koa. Raha ohatra ka misy kokoa ao am-pontsika ny fahatsapana toy izany dia tsy azo hisalasalana fa hanana fifaliana sy fahafinaretana lehibe kokoa isika eo amin’ny fiainantsika, ary hihena ny fahoriana sy ny alahelo …

Indrisy anefa, miaina ao anatina tontolo isika izay tsy mahazatra firy intsony ny fanehoana fanajana ho an’ireo zavatra masina. …

… Ny tsy fanehoana fanajana ireo zavatra masina dia mampandroso ny tanjon’ny fahavalo amin’ny fanelingelenana ny fantsona hahatsapantsika fanambarana izay iankinan’ny fahavelomantsika ara-panahy amin’izao androntsika izao. …

Ry rahalahy sy anabavy, ny fanehoana fanajana ho an’ireo zavatra masina dia hamporisika fankasitrahana tena marina, hanitatra fahasambarana tena izy, hitarika ny saintsika ho amin’ny fanambarana, ary hitondra fifaliana lehibe kokoa ho an’ny fiainantsika. Mametraka ny tongotsika ho amin’ny tany masina izany ary manandratra ny fontsika ho any amin’ Ny Andriamanitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miezaka mampiditra ny toetra tsara toy izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro isika dia afaka hampitombo ny fanetrentenantsika, hampivelatra ny fahatakarantsika ny sitrapon’ Andriamanitra ho antsika, ary hampatanjaka ny fahatokiantsika ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manaiky tanteraka an’io fanomezam-pahasoavan’ny fanehoana fanajana io isika, na any amin’ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo izany, na any amin’ny trano fiangonana, na ao amin’ny tokantranontsika manokana, dia ho heniky ny fahatalanjonana mahavariana sy mampitolagaga isika rehefa mifandray amin’ilay fitiavana tonga lafatry ny Raintsika any An-danitra sy Jesoa Kristy.