Fivoriana sabotsy tolakandro
“Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo”
Sombin-dahatsoratra
“Mifankatiava ianareo,” hoy Jesoa. “Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo.” Matetika loatra ny fijoroana ho vavolombelona voalohany ananan’ny olona iray momba an’i Jesoa Kristy dia avy amin’ny fahatsapany fitiavana eo anivon’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. …
N’iza n’iza mikatsaka finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy na fifandraisana akaiky kokoa amin’ny Ray any An-danitra dia tokony hahatsapa ho toy ny ao an-tranony rehefa tonga ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. …
Noho izany, eo am-pitandremantsika fatratra ny fenitra ambony takian’ny Tompo, dia aoka isika hanam-paharetana ihany koa amin’isika samy isika. …
… Mila mikatsaka fo madio mangarahara isika mba ho iray fo, ary mitaky fiovam-po goavana izany.
Tsy midika anefa izany hoe mila manova ny ao am-poko mba hifanaraka amin’ny anareo aho. Ary tsy midika izany hoe mila manova ny ao am-ponareo ianareo mba hifanaraka amin’ny ahy. Ny dikan’izay dia hoe mila samy manova ny ao am-pontsika isika rehetra mba hifanaraka amin’ny Mpamonjy. …
Ary raha sendra mahatsapa ho tsy mitovy amin’ny hafa ianao dia fantaro fa tsy irery ianao akory. …
… Iray isika, tsy noho ireo zavatra nolalovantsika, fa noho ny lalana izay mbola ezahantsika haleha, tsy noho ny maha isika antsika fa noho ilay olona izay katsahintsika hahatongavana.
Izany no tena antom-pisian’ny Fiangonana marin’i Kristy. …
Ary ahoana raha tsy mitovy amin’ireo olona manodidina anao ianao? Tsy midika izany fa tsy ilaina ianao, fa mahatonga anao ho rantsana ilaina iray ao amin’ny vatan’i Kristy izany. …
Tsy midika izany fa ny asanao dia ny hanova ny olona tsirairay mba ho tonga tahaka anao. Fa ny tena dikany dia hoe misy zava-dehibe izay andraisanao anjara, ary misy zava-dehibe hianaranao!