2025
“Manakaikeza Ahy”
Ho zatovo mahery! mey 2025


Fivoriana sabotsy maraina

“Manakaikeza Ahy”

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Hisintona ny endrika PDF

Misy fotoana ahatsapantsika ho akaiky an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Kanefa, indraindray mandritra ny fiainantsika eto an-tany, dia mety hahatsapa ho lavitra kely Azy koa isika ary maniry hahazo toky fa mahafantatra izay ao am-pontsika sy tia antsika tsirairay Izy. …

Tia antsika tsirairay avy i Jesoa Kristy. Manome antsika izany fahafahana hanakaiky kokoa Azy izany Izy. Tahaka izay ho nataonao amin’ny namana be fitiavana iray, dia hanao mitovy tanteraka amin’izany ianao, amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amin’ny fihainoana fitarihana tena lalaina avy amin’ny Fanahy Masina, ary amin’ny fanompoana ny hafa amim-pifaliana ho an’ny Mpamonjy. …

Tahaka ireo mpianany malalany, ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay izay nisafidy ny hiditra ny vavahadin’ny batisa dia nanao fanekempihavanana ny ho vavolombelon’ny Mpamonjy sy hikarakara ireo sahirana mandritra ny fiainantsika eto an-tany. …

Rehefa mitoetra ho mahatoky amin’ireo fampanantenana ireo ianao, dia ho hitanao fa mitàna ny fampanantenana nomeny ny Tompo mba ho Ilay hanohana anao amin’ny asa fanompoanao, ka hanamaivana ny enta-mavesatrao. Hahafantatra Azy ianao, ary rehefa mandeha ny fotoana dia ho tahaka Azy ianao ary “hatao tanteraka ao Aminy.” Rehefa manampy ny hafa ho an’ny Mpamonjy ianao dia ho hitanao fa manakaiky kokoa Azy hatrany. …

Rehefa manakatona ny ferin’ireo sahirana ianao, dia hanohana anao ny herin’ny Tompo. Hiaraka haninjitra ny sandriny amin’ny anao Izy hanampiana sy hitahiana ny zanaky ny Raintsika any An-danitra.

Handray ny fitarihany avy amin’ny Fanahy avokoa ireo mpanompon’i Jesoa Kristy nanao fanekempihavanana rehefa mitahy sy manompo ny hafa ho Azy izy ireo. Hahatsapa ny fitiavany izy ireo avy eo ary hahita fifaliana amin’ny fanakaikezany Azy kokoa.