2025
Fahefan’ Andriamanitra, zatovolahy tena tsara
Ho zatovo mahery! mey 2025


Fivoriana sabotsy tolakandro

Fahefan’ Andriamanitra, zatovolahy tena tsara

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Hisintona ny endrika PDF

Tamin’ny janoary teo, teo am-panatrehana fivoriana fanasan’ny Tompo aho, dia nanatri-maso fanohanana sy fandrosoana zatovolahy am-polony tamin’ny fisoronana Aharôna. Nahatsapa toy ny nitsingevaheva ny tongotro.

Nanaitra ahy ny nahita fa eran’izao tontolo izao, isaky ny zarakasinora, ao anatin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo toy ity dia diakona sy mpampianatra ary mpisorona an’aliny no notohanana mba ho tendrena ao amin’ny asa fanompoan’ny fisoronana mandritra ny androm-piainany, izay manitatra sy mampiely ny fanangonana an’Isiraely. …

Ireo fanendrena ireo dia mampiditra ireo zatovolahy ho ao amin’ny asa fanompoana mandritra ny androm-piainany rehefa hikatsaka ary koa hirona any amin’ny fahafahana manompo izay hisian’ny maha-zava-manan-danja be ny maha eo azy ireo sy ny vavaka ataony ary ny fisoronan’ Andriamanitra izay hazoniny. …

Mandidy ireo mpitondra ny fisoronana Aharôna maoderina ny Tompo androany mba hanao zavatra betsaka tahaka ny nataon’ireo tany aloha, dia ny: mampianatra sy manatanteraka ôrdônansy—izy rehetra, mba hampahatsiahy antsika ny Sorompanavotany.

Rehefa manampy ao amin’ny fanasan’ny Tompo ireo diakona sy mpampianatra ary mpisorona, dia mandray ny fitahiana avy amin’izany tahaka ireo hafa rehetra: amin’ny alalan’ny fanajana ireo fanekempihavanana izay ataony eo am-pandraisana ho an’ny tenany manokana ny mofo sy rano. Fa amin’ny alalan’ny fanaovana ireo adidy ireo ihany koa dia mianatra izy ireo momba ireo andraikiny ao amin’ny fisoronana. …

Mitaky fiomanana matotra ny fiandrandrana zavatra goavana toy izany. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna, miaraka amin’ny heriny, ny ôrdônansiny, ary ny andraikiny, dia tena mitahy antsika rehetra amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny “fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa asitrika mba ho famelana ny fahotana“ (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1