Fivoriana sabotsy hariva
Fitsaohana
Sombin-dahatsoratra
Midika inona ho anao sy ho ahy ny hoe mitsaoka an’ Andriamanitra? …
Voalohany, ireo fihetsika izay mandrafitra ny fitsaohantsika
Ny iray amin’ireo fomba fitsaohana tena mahazatra sy manan-danja indrindra dia ny miangona ao ao amina toerana voatokana mba hanatanterahana hetsika fitsaohana …
Ny fitsaohana amin’ny andron’ny Tompo dia marihana amin’ny fifantohana manokana amin’ilay sorompanavotana lehibe nataon’i Jesoa Kristy … Ho an’ny mpibebaka, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo no fanasongadinana ny fitsaohana amin’ny Sabata.
… Amin’ny maha-fiaraha-monin’ Olomasina antsika dia mifankahery isika amin’ny fitsaohana sy ny finoana.
Na izany aza dia tsy afaka manadino ireo fihetsika fitsaohana isan’andro izay ataontsika manokana sy any an-tokantrano isika. …
Ireo toe-tsaina sy fahatsapana raiki-tampisaka ao amin’ny fitsaohana
Ny tena fitsaohana marina dia midika hoe mitia an’ Andriamanitra sy mampandefitra ny sitrapontsika mba hanekena ny Azy, ka izany no fanomezana sarobidy indrindra azontsika atolotra. …
Izany no fomba fitsaohan’i Jesoa manokana ny Ray. …
Ny fiezahana ny hanaraka io ohatra tonga lafatra io no atao hoe fitsaohana. …
Fahatelo, ny maha manokana ny fitsaohantsika
Na inona na inona atao ambonin’ny fitsaohana ny Ray sy ny Zanaka dia lasa sampy iray izany. … Ny hany itsaohantsika dia, “[Ilay] Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahiny.”
Farany, ny filana ny fihezahana hitovy amin’ny Ray sy ny Zanaka
Amin’ny farany, ny fomba fiainantsika no endrika tsara sy marina indrindra hanehoana ny fitsaohana. Ny fanehoana ny fanolorantenantsika dia midika hoe mianatra ny ohatra nasehon’ny Ray sy ny Zanaka, mamboly ao anatintsika ny toetran’ Izy Ireo sy ny mombamomba Azy Ireo. …
… “Miharihary [ao anatintsika] ny hery [manamasin’] ny toetra araka an’ Andriamanitra” rehefa mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika.