Fivoriana alahady maraina
Tsy enta-mavesatra ho an’i Jesoa Kristy ny fibebahanao; mampitombo ny hafaliany izany
Sombin-dahatsoratra
Anio aho dia te hiresaka amin’ny sasany amintsika izay mahatsapa indraindray fa “Ny fibebahana sy ny famelan-keloka dia toa mandaitra ho an’ny olon-drehetra ankoatra ahy.” …
Nianatra aho fa diso hevitra ianao raha hiandry ho madio na lavorary tsara vao hanantona ny Mpamonjy! Tena tsy azonao mihitsy ny fandehan-javatra! …
Ijoroako ho vavolombelona fa na dia miraharaha ny hadisoantsika aza Andriamanitra dia raharahiany kokoa ny zava-mitranga aorian’ny fanaovantsika hadisoana. Moa ve isika hiverina hitodika any Aminy hatrany? …
Fomba iray fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra ny fanasany hibebaka.
Fanehoana ny fitiavantsika ny manaiky izany fanasany izany. …
Tsy ilaozan’ny fanaovantsika hadisoana ny fijanonantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro.
Ary rehefa mibebaka isika, Andriamanitra dia mamela antsika sy tsy hanao izay hahamenatra antsika, tsy hampitaha antsika amin’ny olon-kafa, na hibedy antsika satria zavatra mitovy ihany no efa nibebahantsika tamin’ny herinandro lasa.
Mampientanentana Azy ny mahita antsika mandohalika mivavaka. Fahafinaretana ho Azy ny mamela antsika satria mahafinaritra Azy isika!
Tsy tsapanao ve fa marina izany?
Nahoana ary no tena sarotra ho antsika ny mino izany?! I Satana, ilay rain’ny mpiampanga sady mpamitaka dia mampiasa ny henatra mba hanalavirana antsika amin’ Andriamanitra …
… Ny hasarobidinao dia “lehibe […] eo imason’ Andriamanitra” na inona na inona vokatry ny fanapahan-kevitra noraisinao. …
Ijoroako ho vavolombelona eto fa i Jesoa Kristy dia manome hazavana an’ireo izay mitoetra ao amin’ny haizina. … Mialà ao ary mankanesa any amin’ny hazavana, dia ilay Fanantenantsika mamirapiratra sy lavorary.