Fivoriana alahady tolakandro
Mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy
Sombin-dahatsoratra
Nigeria
Afaka mahita zavatra dimy izay mirazotra amin’ireo dingana arahina mba hitondrantsika eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy isika. …
Ny zavatra mirazotra voalohany dia ny fahatsapana fitovian-toetra. … Rehefa mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy isika dia mampifandray ny anarantsika amin’ny Azy. Mahatsapa ho mitovy toetra Aminy isika. …
Ny zavatra mirazotra iray hafa izay mifandray akaiky amin’ny fahatsapana fitovian-toetra dia ny fahatsiarovana. … Ho antsika, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro dia manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy mandritra ny herinandro. …
…Na dia rempotra amin’ny zavatra hafa aza isika, dia mahatsiaro manokana Azy lalandava, toy ny ahatsiarovantsika ny anarantsika na inona na inona zavatra hafa ifantohantsika.
Ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika dia miteraka zavatra mirazotra fahatelo, dia ny fakana tahaka izany. … Ho antsika, arakaraka ny hahatsapantsika ho mitovy toetra amin’i Jesoa Kristy sy ny hahatsiarovantsika Azy no hananantsika faniriana ny ho toa Azy. …
Ny fakana tahaka an’i Jesoa Kristy dia mitondra antsika any amin’ilay zavatra mirazotra fahaefatra, dia ny fampifanarahana ny tanjontsika amin’ny Azy. Mirotsaka miaraka Aminy manao ny asany isika. …
… Ny fanaovana ireo zavatra anankiefatra ireo dia mitondra antsika any amin’ilay zavatra mirazotra fahadimy dia ny fanomezana hery izany. Afaka mahazo ny herin’ Andriamanitra sy ireo fitahiana avy Aminy isika eto an-tany. …
Rehefa manao fanekempihavanana fanampiny amin’ Andriamanitra isika dia mitondra feno kokoa eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy. Vokatr’izany dia omen’ Andriamanitra ny heriny isika. …
… Manatòna ny Raintsika any An-danitra. Ento eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy. … Ho lasa mpandova nasandratra ao amin’ny fanjakan’ny Raintsika any An-danitra ianao, sy mpiray lova amin’ilay Voalohan-teraka, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra malalantsika.