2025
Fa mahiratra aho izao
Ho zatovo mahery! Nôvambra 2025


Fivoriana alahady maraina

Fa mahiratra aho izao

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Écosse

Hisintona ny endrika PDF

Ny toko fahasivy ao amin’ny Jaona dia mirakitra ny zavatra niainan’i Jesoa sy ireo mpianany nandalo teo akaikin’ny mpangataka iray izay jamba hatrany am-pahaterahana. …

I Jesoa no nanome voalohany ny hevitr’io fifanakalozana io, ka nilaza tamin’ny mpianany fa nitranga izany rehetra izany mba “hanehoana ny asan’ Andriamanitra”. …

Ny fahamarinana iray hafa izay mibaribary eto dia ireo fitaovana nampiasain’ny Mpahary ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy mba hanaovana io fahagagana io: rora sy feta iray tanana! Ireo taharo tsy nampoizina ireo dia manambara fa afaka mitahy antsika amin’ny fomba rehetra izay fidiny Andriamanitra. …

Koa ahoana ary raha tonga amin’ny alalan’ny fomba tsotra na sarotsarotra ny valin’ny vavaka ataontsika? Vonona ny haharitra sy hiezaka hatrany hiaina ny filazantsaran’i Kristy ve isika na mitaky rora sy feta tanimanga toa ny ahoana aza izany? …

Ny fihaonako voalohany tamin’ny fahamarinana nabaribary, izay nanampy ahy hahiratra sy hahazo fiainana, dia tsy avy tamin’ny fanosorana feta tanimanga na tao amin’ny farihy Siloama. Tsia, ny fitaovana nanehoana ny fahamarinana izay nitondrana fanasitranana ho ahy avy amin’ny Tompo dia tamin’ny endriky ny pejina boky, eny, ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy! …

… Na izany na tsy izany, ny fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fiainako dia fahagagana tsy latsa-danja amin’ilay fanosorana rora sy tany teo amin’ny mason’ilay lehilahy jamba. Ho ahy izany dia anja iray miaro ny fanahiko, fahazavan’ny fanambarana lehibe sy lalina, fanazavana ny lalana tsy maintsy hizorako rehefa tonga ny zavon’ny haizina. Ary azo antoka fa tena efa tonga izany ary mbola ho tonga.