2025
Ilay Fanambarana momba ny fianakaviana—Teny avy amin’ Andriamanitra
Ho zatovo mahery! Nôvambra 2025


Fivoriana sabotsy tolakandro

Ilay Fanambarana momba ny fianakaviana—Teny avy amin’ Andriamanitra

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Etazonia

Hisintona ny endrika PDF

Tiako ilay fanambarana momba ny fianakaviana. … Masina ny fiavian’ilay fanambarana, ka noho izany dia tokony raisintsika amin’ny fanajana natokana ho an’ireo teny avy amin’ Andriamanitra izany. …

Rehefa natolotra ilay fanambarana, dia tsy nifanaraka tamin’ny fomba fijerin’ny maro teto amin’izao tontolo izao izany. Na tamin’izany fotoana izany. Na amin’izao fotoana izao. Misy ireo izay manana olana amin’ilay fanambarana mikasika ny fianakaviana, ny fanambadiana, ary ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Misy indray ireo izay mandroso hevitra fa tokony hanafoana na hanitsy na tsy hiraharaha mihitsy ilay fanambarana ny Fiangonana.

Ity fanambarana momba ny fianakaviana ity, araka ny nolazain’ny Filoha Hinckley, dia fotopampianarana, ry rahalahy sy ranabavy. Tsy hoe maningana ireo fitsipika, fa tena mifanaraka tanteraka amin’ny fomban’ny Tompo sy ny lalan’ny fanekempihavanana napetrany. I Jesoa Kristy Tompontsika no nanambara tamin’ny Apôstôliny taloha sy ankehitriny ny fampianaran’ilay fanambarana. …

Ho an’ireo izay sahiran-tsaina, dia fantaro fa zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra ianareo, isan’ny fianakavian’ny Rainareo any An-danitra. Tsy misy mahalala sy miraharaha anareo lalina kokoa noho Izy. Mitodiha Aminy; aborahy Aminy ny ao am-ponareo; matokia Azy sy ireo fampanantenany. …

Hitantsika ao anatin’ny fanambarana momba ny fianakaviana ihany koa ny hoe:

“ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo”.

Ny hoe mitovy lenta dia andian-teny manan-danja. …

Rehefa manana fiainana tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra isika dia mifanaja sy mifanohana. …

Nomen’ny Raintsika any An-danitra ilay fanambarana momba ny fianakaviana mba hanampiana antsika ho voatarika hiverina any Aminy indray, hanampiana antsika hianatra sy ho heniky ny fitiavana, tanjaka, tanjona, ary fahatakarana ireo zavatry ny mandrakizay.