Fivoriana sabotsy tolakandro
Tsy misy olona mipetraka irery
Sombin-dahatsoratra
Afrika Atsimo
Estonie
Ao amin’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy, dia manasa antsika i Jesoa hifanampy sy hanatona Azy ao amin’ny tranom-bahininy—dia ny Fiangonany izany. …
Ny hevitra ambadik’ilay hoe “toerana ao an-tranom-bahiny” dia ahitana ny hoe “tsy misy olona mipetraka irery”. Rehefa tonga any am-piangonana ianao ka mahita olona irery, mba azonao atao ve ny miarahaba sy miara-mipetraka aminy? …
Ny hoe “tsy misy olona mipetraka irery” dia midika ihany koa hoe tsy misy olona mipetraka irery ara-pihetseham-po na ara-panahy. Niaraka tamina raim-pianakaviana iray vaky fo aho indray mandeha, mba hitsidika ny zanany lahy. Taona maro talohan’izay, dia nientanentana ery ny ho lasa diakona vaovao ilay zazalahy. Tamin’izay fotoana izay koa dia nividianan’ny fianakaviany ny kirarony vaovao voalohany izy.
Saingy nony tany am-piangonana izy dia nihomehezan’ireo diakona. Vaovao ny kirarony saingy tsy nanara-damaody. Menatra sy nalahelo ilay zazalahy diakona ka nilaza fa tsy handeha any am-piangonana intsony. Mbola vaky foana ny foko ho azy sy ny fianakaviany. …
Ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny dia tsara kokoa rehefa tsy misy olona mipetraka irery. Aoka isika tsy hoe hampiditra na hamela ny hafa ho eo anivontsika fotsiny. Aoka isika handray tsara sy hanaiky sy hanompo ary hitia amin-kitsimpo. …
Ankehitriny dia maro no mahatsiaro ho manirery sy mitoka-monina. …
Maro no antony mahatonga antsika hahatsapa fa tsy manana anjara toerana ao am-piangonana isika—izany hoe azo lazaina ihany koa fa mipetraka irery isika. …
Manasa antsika ny Môzià 18:21 mba hanana fo mifamihina ao amin’ny fifankatiavana. Manasa antsika aho hiala amin’ny fiahiahiana, ny fitsaratsarana, tsy hitaky be loatra amin’ny hafa—ary, rehefa ilaina, tsy ho sarotiny loatra amin’ny tenantsika. …
Miorim-paka ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana rehefa mifanatona isika sy manatona ny Tompo ao amin’ny tranom-bahininy. Mitahy antsika rehetra ny Tompo rehefa tsy misy olona mipetraka irery.