2025
Izy ireo ihany no tompon’ny tenany
Ho zatovo mahery! Nôvambra 2025


Fivoriana alahady tolakandro

Izy ireo ihany no tompon’ny tenany

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Etazonia

Hisintona ny endrika PDF

Ny tanjona voalohan’ny Fahariana sy ny fisiantsika eto an-tany dia ny hanome antsika fahafahana hanao asa ka ho lasa izay hanasan’ny Tompo antsika mba hahatongavantsika. …

… Tsy nomena ny safidy ara-pitondrantena isika mba hanaovana izay rehetra tiantsika amin’ny fotoana rehetra tiantsika. Fa araka ny drafitry ny Ray kosa dia nahazo ny safidy ara-pitondrantena isika mba hikatsahana sy hanaovana asa mifanaraka amin’ny fahamarinana mandrakizay. …

Nanantitrantitra ny Filoha Dallin H. Oaks fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia sady manasa antsika hahafantatra zavatra sy ho lasa zavatra amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pahamarinana ny safidim-pitondrantena. …

[Nefa koa] tsy manavotra antsika sy tsy afaka manavotra antsika ny asantsika sy ny faniriantsika fotsiny. “Rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” dia mihavana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fahasoavana izay misy amin’ny alalan’ny sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizay nataon’ny Mpamonjy irery ihany. …

Maro amintsika no manantena fa ny fisehoantsika eo anoloan’ilay Mpitsara Mandrakizay dia hitovitovy amin’ny fankanesana eo anatrehan’ny toeram-pitsaran’izao tontolo izao. Hisy mpitsara iray hiahy ny fotoana. Hisy porofo haroso. Hisy didim-pitsarana havoaka. Ary mety ho tsy hanana antoka sy hatahotra isika mandra-pahafantarantsika ny didim-pitsarana farany. Kanefa mino aho fa diso ny famariparitana toy izany. …

Ny fahatahorana araka an’ Andriamanitra dia tsy tebiteby tiana hialana noho ny tsy maintsy hanatrehana Azy mba hotsaraina. Fa fampahafantarana “zavatra araka ny tena toetrany” sy ny amin’ny “zavatra araka ny ho tena toetrany momba ny tenantsika amin’ny farany kosa”. …

Amin’ny farany dia isika ihany no tompon’ny tenantsika. Tsy hisy hilaza amintsika izay tokony halehantsika. Hiaiky eo anatrehan’ny Tompo izay nosafidiantsika teto an-tany mba hiafarantsika isika ary hofantantsika ny toerana tokony hisy antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.