Fivoriana alahady maraina
Mpaminanin’ Andriamanitra
Sombin-dahatsoratra
Ghana
Nijoro ho vavolombelona tamin’ilay vehivavy avy ao Sonema ny Tompo fa mpaminan’ Andriamanitra i Elisa ka nandray andraikitra tamin’ny fanokafana ny varavarany handraisana azy izy.
Isika koa dia afaka mandray fijoroana ho vavolombelona manokana momba ireo mpaminan’ Andriamanitra ankehitriny ary manokatra ny fontsika sy ny saintsika—ny tranontsika—amin’ny hafatra izay omanin’ny Raintsika any An-danitra ho antsika amin’izao andro farany izao. …
Inona no atao hoe mpaminany? Ny mpaminany dia olona iray izay nantsoin’ Andriamanitra mba hiteny ho Azy. …
Ny mpaminany dia mpahita sy mpanambara. Midika izany fa afaka mahita ny zavatra tsy hitan’ny hafa izy ireo ary afaka maminany ny zavatra ho avy. … Ny mpaminany dia mandray didy sy fanambarana avy amin’ny Tompo. …
Mitory ny filazantsara ihany koa ny mpaminany ary mpampianatra sy mpitondra hafatra entanim-panahy avy amin’ Andriamanitra ho an’ny rehetra eto an-tany. …
Ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy—Ny fisiany sy ny asa fanompoana nataony ary ny maha-Andriamanitra Azy. …
Nampianatra antsika ilay vehivavy avy ao Sonema fa afaka mahazo izany fijoroana ho vavolombelona izany isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mampanantena anareo aho fa rehefa fantatsika fa voahosotr’ Andriamanitra izy ireo dia ho mora kokoa ny fiainantsika na dia eo aza ireo fanamby amin’izao fotoana izao, satria hankatoa ny feon’izy ireo ombam-pahatokiana sy finoana ary fanantenana isika. Ny fihainoana sy ny fankatoavana ny feon’ny mpaminany dia zava-dehibe amin’ny fihazonana ny zavatra tsara rehetra mandra-pahatonga ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. …
Feno fankasitrahana aho noho ny fitarihana sy ny ezaka feno fanolorantena ataon’ireo mpaminany velona. … Ny Tompo foana no hisafidy ireo mpanompony.