Fivoriana sabotsy hariva
Jesoa Kristy: fototry ny fiandohanao vaovao
Sombin-dahatsoratra
Japana
Ny Ivontoeran’ny Fihaonambe, Etazonia
Nigeria
“Nandehandeha nanao soa” i Jesoa. … Tena goavana izany fanalefahana lanjan-kevitra izany! …
Ny zavatra rehetra nolazainy sy nataony dia nanolotra fiandohana vaovao ho an’ny tsirairay tamin’ireo izay nositraniny, notsofiny rano, nampianariny, ary nohamaivaniny fahotana. Tsy niala tamin’izy ireo Izy, ary azo antoka fa tsy hiala aminao koa Izy. …
… Isika rehetra dia afaka manana fiandohana vaovao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy noho i Jesoa Kristy. Na ianao io aza. … Ity no fiangonan’ny fiandohana vaovao! …
Ny fibebahana dia manokatra ny varavarana ho an’ny fiandohantsika vaovao sy ny fanombohana vaovao ary ny fahafahana mamerina indray. …
… Maraim-baovao sy takelaka vaovao ary fahafahana mamerina vaovao no ivo fototry ny vaovao mahafaly ao amin’ny filazantsara!
… Ny fahavalo irery ihany no hany mahazo tombontsoa avy amin’ilay fieritreretana hoe resy tanteraka ianao. Tsy resy ianao.
Ary ny fiandohana vaovao dia tsy noho ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika fotsiny ihany fa mbola mihoatra lavitra noho izany. … Tena afaka manova zavatra momba ny tenanao izay nikiky anao an-taonany maro ianao. …
Ho an’ireo izay sahirana amin’ny fahotana iray na tsy fahombiazana iray izay miverimberina foana dia aoka hanohy hiady hatrany. … Ary aoka ianao hatoky ny fiandohana vaovao izay ho eo foana ho anao isaky ny mitodika any amin’ny Rainao amin-kitsimpo ianao. …
… Miangavy anao aho handray ny fiandohanao vaovao, androany, izao dieny izao. I Jesoa Kristy no Tompo sy Mpanefa ny finoantsika ary manoratra takelaka vaovao tsy tambo isaina miaraka amintsika Izy. Izy no Fiandohana sy Fiafarana, dia ny fiafaran’ny fahamenarana sy ny fijaliantsika, ary ny fiandohan’ny fiainana vaovao ao Aminy, izay mamela antsika handray ny fahasoavany, hamela ny lasa any aoriana ary hanomboka indray miaraka amin’ny maraim-baovao na impiry na impiry no ilantsika izany.