Fivoriana sabotsy maraina
Mampifanaraka ny fonao amin’i Jesoa Kristy : Ilay fanomezana masina voarakitra ao amin’ny hiran’ny Kilonga
Sombin-dahatsoratra
Brezila
Filipina
Etazonia
Nahitako fifaliana ny nifandray tamin’ireo Olomasina namana tamin’ny alalan’ny fiteny iombonan’ny hira masina. Ary tamin’ny alalan’ny hira tsotran’ny Kilonga indrindra ny Fanahy Masina dia nandresy ireo sakantsakan’ny fahasamihafam-piteny ka nameno ny foko tamin’ny bitsika nataony. …
… Ny hiran’ny Kilonga dia iray amin’ireo fitaovana feno fitiavana indrindra entin’ Andriamanitra mamboly ny voan’ny fijoroana ho vavolombelona ao am-pon’ireo mpianatry ny Mpamonjy zandriny indrindra. …
… Hatramin’izay ny hira dia efa ivon’ny fampianarana filazantsara an’ireo ankizy. Ireo hiran’ny Kilonga dia afaka ny ho fiteny ara-panahy fampiasa voalohany ho an’ny ankizy noho ny feon-kirany tsotra sy mora tadidiana izay mamoaka ireo fahamarinan’ny filazantsara. …
Afaka ny ho fitaovana mahery vaika hampianarana ny fotopampianarana ihany koa ireo hiran’ny Kilonga. Misy ireo hira izay mitantara ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoany. Misy koa mampianatra ny toetra ananany toy ny finoany, ny fanantenany ary ny fiantrany. Ary ireo hira masina indrindra dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Sorompanavotana tsy manam-petra sy ny fitiavana izay miboiboika avy amin’izany asa famonjena izany. …
… Ny hira izay nianarantsika tamin’ny faha enin-taonantsika dia manana ny hery hitoetra miaraka amintsika, sy hitamberina taona maro atý aoriana rehefa handray fanapahan-kevitra na alaim-panahy na ory na faly. …
… Amin’ny alalan’ny mozika, ny Fanahy dia afaka mahatonga ireo fahamarinana mandrakizay ho voasokitra ao am-pon’ireo ankizy. Ary rehefa ela ny ela dia afaka ny hisafidy ny hampifanaraka sy hampitodika ny fo sy fiainan’izy ireo any amin’i Jesoa Kristy ireo ankizy amin’ny fanaovana sy fitandremana ôrdônansy masina miaraka Aminy. …
Ry namako, mijoro ho vavolombelona aho fa ny hiran’ny Kilonga dia mampianatra fahamarinana mandrakizay sy fotopampianarana izay mitarika antsika ho any amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.