2025
Mifamporisika mba handresy
Ho zatovo mahery! Nôvambra 2025


Fivoriana sabotsy hariva

Mifamporisika mba handresy

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Équateur

Nouvelle-Zélande

Hisintona ny endrika PDF

Mila ny tsirairay avy amintsika isika. Ny firaisan-kina no loharanon’ny hery avy amin’ Andriamanitra, ary izany no antony anirian’i Satana hampisara-bazana antsika.

Indrisy anefa fa noho ny antony maro samihafa dia mety ho sarotra amin’ny sasany amintsika indraindray ny mankany am-piangonana. …

Ny zavatra iainantsika any am-piangonana dia natao hampisy fifandraisana manan-danja amin’ny Tompo sy amin’ny tsirairay izay tena ilaina amin’ny fahasalamantsika ara-panahy sy ara-pihetseham-po. …

Avo sy masina kokoa ny fitiavana sy ny fikarakarana tahaka ny an’i Kristy. …

… Anisan’ny fianakavian’ Andriamanitra isika rehetra ary tiany avokoa ny zanany rehetra. Tiany ny hitiavan’ny zanany Azy sy ny hifankatiavan’izy ireo ihany koa.

Ny fiainan’ny Mpamonjy no ohatra amin’ny fitiavana, fanangonana ary fankaherezana na dia ireo izay nailikiliky ny fiarahamonina sy notsarain’ny fiarahamonina ho maloto aza. Ny Azy no ohatra andidiana antsika mba harahintsika. …

Hisy fotoana isika eo amin’ny fiainantsika tsirairay no ho ireo izay mila fanampiana sy fankaherezana. Andeha isika hanolo-tena izao mba hanao izany lalandava amin’ny tsirairay avy amintsika. …

Ho an’ny tsirairay avy aminareo izay mety mahatsapa ho vodilaharana eo amin’ity hazakaza-piainana ity, ity dia eto an-tany ity, dia miangavy anareo aho hitozo hatrany. Ny Mpamonjy irery ihany no afaka mitsara feno ny toerana tokony hisy anao amin’izao fotoana izao, ary Izy dia mahari-po sy marina. …

Afantohy amin’ny Mpamonjy ny masonao. Izy no anja-binao. Tandrovy ny fifandraisana Aminy. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy ary afaka mitoky Aminy ianao. Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa mamporisika anao Izy.