2025
Miravaka ny hasin’ny fahononam-po
Ho zatovo mahery! Nôvambra 2025


Fivoriana alahady maraina

Miravaka ny hasin’ny fahononam-po

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Estonie

Chili

Hisintona ny endrika PDF

Nanambara ny Tompo hoe: …

“Ary tsy misy afaka manampy amin’ity asa ity, raha tsy manetry tena izy ary feno fitiavana, manana finoana, fanantenana ary fiantrana, mahonon-tena amin’ny zava-drehetra na inona na inona hankinina hotandremany”.

Mampahatsiahy antsika ny fitarihan’ny Tompo izay voarakitra ao amin’ity fanambarana masina ity fa ny fahononam-po dia fanamafisana tena ilaina mba hisian’ny fototra mafy orina ao amin’i Jesoa Kristy. …

Raha ny amin’ireo hasina izay mandravaka ny mpianatra marin’i Kristy, dia misongadina ny fahononam-po satria ny Mpamonjy mihitsy no asehon’izany, voa sarobidin’ny Fanahy izany, ary mitolotra amin’ireo rehetra izay vonona ny hotarihin’ny fitaoman’ Andriamanitra. …

Ireo mpianatr’i Kristy izay miezaka mikolokolo ity toetra tahaka ny an’i Kristy ity dia lasa manetry tena sy feno fitiavana fatratra. …

… Manasa antsika hampihatra ity hasina ity ny filazantsaran’i Jesoa Kristy indrindra mandritra ireo fotoanan’ny fisedrana, satria mandritra ireny fotoana ireny indrindra no miseho ny tena toetran’ny olona. …

Ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tety an-tany dia niavaka tamin’ny hasin’ny fahononam-po tamin’ireo lafin-javatra rehetra teo amin’ny toetrany. …

I Jesoa Kristy, ilay lehibe indrindra amin’ny rehetra, dia nijaly ho antsika mandra-pivoa-drà ny mason-kodiny rehetra, kanefa tsy mbola namela velively ny fahatezerana hampirehitra ny fony Izy, na nivoahan’ny teny feno hasiahana, manafintohina na manevateva ny vavany na dia teo afovoan’ny fahoriana toa izany aza Izy. …

… Rehefa miezaka amim-pinoana sy amim-pahazotoana mampiditra ny fahononam-po amin’izay rehetra ataontsika sy tenenintsika isika, dia mijoro ho vavolombelona aho fa hampatanjaka sy hampifikitra ny fiainantsika amin’ny fomba azo antoka kokoa eo amin’ny fototra azo antoky ny Mpanavotra antsika isika.