2025
Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mifototra amin’ny fianakaviana
Ho zatovo mahery! Nôvambra 2025


Fivoriana sabotsy maraina

Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mifototra amin’ny fianakaviana

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Mongolie

Arzantina

Hisintona ny endrika PDF

Mifototra amin’ny fianakaviana ny fotopampianaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. …

Na dia eo aza io sahan-kevitra ara-potopampianarana io, dia misy ny fanoherana. …

Mora azo ny antony ara-tantara mahatonga ny fitotongan’ny fanambadiana sy ny fananana anaka, saingy ny soatoavina sy ny fomba amam-panaon’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tokony hanatsara fa tsy hanaraka ireny fironana ireny. …

Eo anatrehan’ny fihenan’ny hery mitaona ananan’ny ray aman-dreny, ireo Olomasin’ny Andro Farany dia mbola manana andraikitra natolotr’ Andriamanitra mba hampianatra ny zanak’izy ireo hiomana ho amin’ny anjara mandrakizain’ny fianakaviantsika any amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25). …

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no ohatra faratampony ho antsika. … Ny fanarahana an’i Kristy sy ny fanolorana ny tenantsika mba hifanompo no fanafan’ny fitiavan-tena sy ny fiolonolonana izay toa fanao matetika loatra ankehitriny.

Ny ray aman-dreny koa dia manana adidy hampita fahalalana hoentina miatrika ny fiainana ankoatra an’ireo fitsipika ao amin’ny filazantsara. …

… Miroborobo ny fianakaviana rehefa miara-mivondrona mianatra sy miara-mikaon-doha amin’ny zavatra rehetra manahirana ny fianakaviana sy ny olona ao aminy. …

Fitahiana lehibe no tonga amin’ny fianakaviana rehefa miara-mivavaka sy mandohalika amin’ny alina sy amin’ny maraina izy ireo mba hanolotra fisaorana noho ireo fitahiana sy mivavaka mba handresy olana iraisana. Voatahy ihany koa ny fianakaviana rehefa miara-mitsaoka mandritra ny fivoriam-bavaka sy ireo sehatra hafa misy fampaherezam-panahy. Manamafy orina ny fifandraisan’ny mpianakavy ihany koa ny tantaram-pianakaviana, ny famoronana fomba amam-panao ho an’ny fianakaviana ary ny fizarana traikefa masina. …

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy Tompo izay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra Raintsika Mandrakizay. Manasa antsika Izy hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitarika ho amin’ny fihaonan’ny fianakaviana any an-danitra.