Fivoriana sabotsy maraina
Ataovy amin’ny fonao manontolo ny anjara adidinao
Sombin-dahatsoratra
Alemana
Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia mitaky fifehezan-tena ny maha-mpianatra. …
… Lasa mihamatanjaka ny finoantsika sy ny fahatokiantsika ny Mpamonjy rehefa sedraina amin’ny fanoherana atrehantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Maharitra izany satria manohy mikolokolo izany isika, manohy mampihatra izany amim-pahavitrihana isika, ary tsy milavo lefona mihitsy isika.
Etsy an-kilan’izany, raha tsy mampiasa finoana sy ny heriny mandresy lahatra isika, amin’ny alalan’ny fampiharana azy, dia lasa misalasala isika ny amin’ireo zavatra izay noraisintsika ho masina teo aloha—tsy dia matoky ireo zavatra izay fantatsika teo aloha fa marina. …
Ao anatin’ny fotoana voafetra ihany no ahafahan’ny afon’ny fijoroana ho vavolombelona nananantsika taloha mampiredareda ny finoantsika. …
Tsy mihalehibe sy mitombo isa ireo fanomezam-pahasoavana azontsika raha tsy rehefa ampiasaintsika. …
Mety ho marina fa tsy hita mibaribary ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananantsika, saingy tsy midika izany fa latsa-danja izy ireny. …
Koa andao isika tsirairay avy hanao ny anjara asa kelintsika. …
Tsarovy fa i Jesoa Kristy no efa nanao ilay anjara tsy vitan’olombelona rehefa nandresy ny fahafatesana sy ny fahotana Izy.
Manara-dia an’i Kristy no anjarantsika. …
Raha marefo ny finoana dia atombohy amin’ny fanantenana ao amin’i Kristy Jesoa sy ny heriny mba hanadio sy hanarina. …
Fantatsika fa tsy hahatonga antsika ho selestialy velively raha ny ezaka ataontsika fotsiny ihany. Saingy afaka mahatonga antsika ho mahatoky sy manolo-tena ho an’i Jesoa Kristy izy ireny, ary Izy dia afaka mahatonga antsika ho selestialy. …
… Feno fankasitrahana ny amin’ireo dingana nataontsika teo aloha isika, kanefa tsy mijanona hatreo. Fantatsika fa mbola lavitra ny lalana, izay halehantsika, kanefa tsy avelantsika hanakivy antsika izany.
Izany no toetra manan-danja maha-isika antsika amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika.