Fivoriana alahady maraina
Voasedra sy nampatanjahana ao amin’i Kristy
Sombin-dahatsoratra
Peroa
Fahiny ela be dia nikatsaka ny hianatra fizika sy matematika aho tamin’izaho tany amin’ny oniversite. Nahatsapa ho tototra anefa aho. … Nanomboka nieritreritra ny hiala an-daharana aho ary hanao zavatra mora kokoa.
Tsapako fa kely ny heriko. Rehefa nivavaka aho dia nahatsapa ny fanomezan-toky mangina avy amin’ny Tompo. Tsapako Izy niteny tao an-tsaiko hoe: “Hosedraiko ianao, saingy homba anao ihany koa Aho”. …
Nianatra aho fa ny olako tamin’ny fizika raha ny marina dia fanomezana avy tamin’ny Tompo. Nampianatra ahy Izy fa noho ny fanampiany dia afaka manao ireo zavatra izay toa ohatran’ny tsy azo tanterahina aho raha toa nanam-pinoana fa ho eo Izy hanampy ahy. Tamin’ny alalan’io fanomezana io dia niasa ny Tompo mba hisedrana sy hampahatanjahana ahy.
… Ny fisedrana tapa-by iray dia ny fametrahana izany anatina tsindry. … Tsy mampalemy an’ilay vỳ ny fisedrana azy. Raha ny marina, lasa tonga zavatra azo itokisana izany, lasa zavatra ampy tanjaka afaka hizaka vesatra lehibe kokoa. …
Rehefa manohy mino an’i Jesoa Kristy isika—eny fa na dia ohatra an’ny tsy azontsika tanterahina aza ireo zavatra amin’izao fotoana izao—dia ho lasa mihamatanjaka ara-panahy isika. …
Noho ny Sorompanavotana be voninahitra dia afaka mampatanjaka antsika i Jesoa Kristy amin’ireo fotoam-pitsapana antsika. …
… Mety ho tonga mangina izany, amin’ny alalan’ny fitsapana ny fiainam-pianakaviana. Mety ho tonga amin’ny alalan’ny aretina na fahadisoam-panantenana na alahelo na fanirery izany.
Mijoro ho vavolombelona aho fa ireny fotoana ireny dia tsy porofo hoe nandao anao ny Tompo. Fa izany dia porofo fa tena tiany ianao mba ho diovina sy hatanjahina. Ataony ampy ny tanjakao hahazakana ny vesatry ny fiainana mandrakizay.