2025
Sambatra ny mpampihavana
Ho zatovo mahery! Nôvambra 2025


Fivoriana sabotsy maraina

Sambatra ny mpampihavana

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Brezila

Ny Ivontoeran’ny Fihaonambe, Etazonia

Hisintona ny endrika PDF

I Jesoa mivoaka avy ao am-pasana, nataon’i Dan Burr

Andeha hodinihintsika kokoa ireo toerana telo izay anaovan’ny Olomasin’ny Andro Farany ankehitriny fampihavanana.

Ny voalohany dia ao am-pontsika. …

… Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mikolokolo sy manambatra ireo toetra masina ireo, tafiditra ao anatin’izany ny fampihavanana, ho ao anatin’ny fontsika, izay hitahy antsika mandritra ity fiainana ity sy any amin’ilay fiainana ho avy.

Ny faharoa dia ny fanorenana fampihavanana any an-tokantranontsika amin’ny alalan’ny fampiasana ny lamin’ny Tompo mba hitarihana ny fifandraisantsika samy isika: ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hamoram-po, ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy. …

… Mba hahatongavana ho mpampihavana dia mamela ny hafa isika sy mampahery amim-piniavana ny hafa fa tsy manambany azy ireo.

Ny fahatelo dia ny fampihavanana eo amin’ny fiarahamonintsika. …

… Enga anie isika any amin’ny fiangonantsika sy any amin’ny fiarahamonina misy antsika hisafidy ny hijery ny tsirairay ho toy ny zanak’ Andriamanitra.

Ho famintinana dia hanolotra fanasana iray aho. … Afaka ny hieritreritra hanaraka drafitra misy dingana telo ho an’ny mpampihavana ve ianao mandritra ny herinandro iray?

  1. Toeram-ponenana tsy ahitana fifandirana: Raha vao manomboka ny fifandirana dia miatoa ary avereno atrehina miaraka amin’ny teny sy fihetsika maneho hatsaram-panahy ilay toe-javatra.

  2. Fanorenana fifandraisana tsara eo amin’ny sehatry ny tambajotran-tserasera: Alohan’ny hametahana zavatra na hamaliana na hanaovana fanamarihana an-jotra dia mametraha fanontaniana hoe: Moa ve hanatsara fihavanana ity? Raha tsia, dia ajanony izany. Aza alefa izany. Mizarà kosa hatsaram-panahy. Mitoria fiadanana eo amin’ny toeran’ny fankahalana.

  3. Areno ny tsy mety ary miverena miray hina: Ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana dia afaka mikatsaka ny hivoaka ao anatin’ny tsy fifankahazoana mba hahafahana maneho fialan-tsiny, manompo, manarina ny tsy mety ary miverina miray hina. …

Ny fampihavanana dia toetra iray tahaka ny an’i Kristy. …

Manatanteraka ilay anjara asa masina nomena antsika amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana antsika isika rehefa miezaka ny ho lasa mpampihavana.