Fivoriana alahady maraina
Hijery an’ Andriamanitra ka ho velona
Sombin-dahatsoratra
Californie
Bôlivia
Ny Ivontoeran’ny Fihaonambe, Etazonia
Madagasikara
Mazava ho azy fa ilay torohevitra mba “hijery an’ Andriamanitra ka ho velona” dia manana dikany amintsika tsy any amin’ny mandrakizay ihany fa mitondra fiovana be dia be eo amin’ny toetran’ny fiainantsika eto an-tany sy ny kalitaony ihany koa. …
Tsy misy fampanantenana miverimberina matetika kokoa noho ity ao amin’ny soratra masin’ny Bokin’i Môrmôna : “Raha mbola mitandrina ny didiko ianareo dia hiroborobo amin’ny tany; nefa raha tsy mitandrina ny didiko ianareo, dia hesorina hiala tsy ho eo anatrehako”. … Ny dikan’ny hoe “miroborobo” dia mankafy ny fitarihana sy ireo fitahiana avy amin’ny lanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. … Ny “firoboroboana” dia ahitana ny fahafahana mandresy ny zava-tsarotra sy ny fitsapana. …
… Ny didin’ Andriamanitra sy ny toroheviny dia hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpanompony. Ireo fitsipika sy filamatra velabelarina ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” no ohatra voalohany indrindra. Iray hafa koa ny tari-dalana hita ao anatin’ilay boky kely Ho Zatovo Mahery!. …
Toa tsy manam-pahataperana ireo loharano izay itodihan’ny olona mba hahitana ny dikan’ny fiainana, fahasambarana ary fanampiana. Maro amin’izy ireo no “Mibanjina ny any ivelan’ny tanjona”. … Amin’ny alalan’ny fijerena an’ Andriamanitra dia afaka mahita fiadanana ao anatin’ny sarotra isika, ary afaka mitombo hatrany ny finoantsika na dia amin’ny fotoana hisian’ny fisalasalana sy olana ara-panahy aza. Afaka mahazo tanjaka isika na dia eo anatrehan’ny fanoherana sy fitokana-monina aza. Afaka mampifanaraka ny zavatra eritreretina ho tena filamatra amin’ny zavatra tena misy amin’izao fotoana izao isika. …
Ny mijery an’ Andriamanitra dia midika fa Izy dia tsy isan’ireo laharam-pahamehantsika fotsiny, fa midika izany fa Izy no hany laharam-pahamehantsika ambony indrindra.