2025
Manafaingana ny asany ny Tompo
Ho zatovo mahery! Nôvambra 2025


Fivoriana sabotsy tolakandro

Manafaingana ny asany ny Tompo

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Chili

Etazonia

Hisintona ny endrika PDF

Misy porofo mazava fa mitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao. Ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nisy fitomboana niavaka teo amin’ireo olona niova fo sy ny fandraisana anjaran’izy ireo. …

… Eo am-panafainganan’ny Tompo ny asany, dia tokony hitia sy hikolokolo ary hanompo ireo izay manaiky ny filazantsarany isika. …

Ho anareo izay vaovao na miverina amin’ny finoana, misy olana mety hatrehinareo. Manàna faharetana amin’ny tenanareo. …

Tena ilaina ny fandraisana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ary ny fiainana ireo didy. Mifantoha amin’ireo fanekempihavanana ilaina amin’ny fisandratana. …

Ny fianarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy madio dia fikatsahana atao mandritra ny androm-piainana, sady amin’ny fahatakarana fotopampianarana no amin’ny fananana fiainana tahaka ny an’i Kristy. Ireo fanekempihavanana ilaina atao dia manolotra rafitra fanohanana izay antsointsika amin’ny hoe lalan’ny fanekempihavanana. …

Raha toa ianao ka mametraka tanjona handray amim-pahamendrehana ny fanekempihavanana tsirairay ilaina amin’ny fisandratana, dia ho eo amin’ilay lalana mitondra mankany amin’ny fanjakana selestialy ianao. Ny tempoly sy ny ôrdônansin’ny tempoly no tokony hifantohantsika. …

Mahatsiaro ho tsy ampy fahaizana isika rehetra rehefa miezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy. Ny Sorompanavotany dia mamela antsika hibebaka isan’andro rehefa lavo isika. …

Tsy mora mihitsy ny fanarahana ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany ary ireo fampianarany ao anatin’izao tontolo izao izay mikorontana tsy an-kijanona. … Soa ihany fa manome ny fitarihana izay ilaintsika manokana amin’izao androntsika izao ireo mpaminany velona. …

… Mijoro ho vavolombelona azo antoka sy tena misy aho fa velona i Jesoa Kristy ary noho ny Sorompanavotany dia afaka ny ho iray Aminy isika.