Fivoriana sabotsy maraina
Teny fanolorana
Sombin-dahatsoratra
Ny Ivontoeran’ny Fihaonambe, Etazonia
Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, mivory isika eo am-pisaonana ny fahafatesan’ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika. Amin’ny maha Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ahy no hitenenako aminareo, izay andraikitra nanohanana ahy tamin’ny fihaonambe tsirairay—tamin’ny fihaonamben’ny paroasy, ny tsatòka ary ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany—tao anatin’ny fito taona sy tapany izay.
Izao isika dia mandroso hatrany amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona ity, manohy araka ny lamina natao ary miaraka amin’ireo mpandahateny sy hira nasain’ny Filoha Nelson natao taorian’ny fiomanana nandritra ny volana maro. …
… Takatry ny Filoha Nelson ny hasarobidin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba hanomezana fitarihana ho an’ireo Olomasina ao anatin’ireo volana ho avy. Manome voninahitra azy isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny fandaharam-potoan’ny fihaonambe izay efa voalamina. …
Ny fanomezam-boninahitra fohy ataoko—izay mety amin’ity fihaonambe ity sy amin’ireo fanomezam-boninahitra efa nataonay—dia ny hoe tiako i Russell M. Nelson ary nianatra kokoa momba ny filazantsara sy ny fitarihana araka ny filazantsara aho avy tamin’ny finamanako hatry ny ela sy ny fiarahako miasa tamin’ny Filoha Nelson raha oharina amin’izay azoko avy amin’ny olona hafa rehetra izay fantatro manokana. Ohatra ho antsika izy amin’ny maha-mpanompo sy mpanara-dia ny Tompo Jesoa Kristy.