Liahona
Mpitantan-draharaha marina—mpianatr’i Jesoa Kristy
Liahona martsa 2026


“Mpitantan-draharaha marina—mpianatr’i Jesoa Kristy,” Liahona, Mar. 2026.

Vehivavy manao fanekempihavanana

Mpitantan-draharaha marina—mpianatr’i Jesoa Kristy

Misy fanoharana telo mampianatra fitantanan-draharaha sy maneho ny fomba hanamafisana ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.

sarin’ny fanoharana momba ireo virijiny folo

Ten Virgins [Virijiny folo], nataon’i Jorge Cocco

Ny famelana ny fahazavan’i Jesoa Kristy hamiratra ao amin’ny fiainantsika ny maha mpianany antsika no endrika faratampon’ny angovo azo havaozina—angovo avy amin’ny loharano izay feno tsy tapaka. Rehefa mitondra ny fanamaivanana sy ny fahazavan’i Kristy amin’ny hafa isika dia hahita ny fanamaivanana ho antsika ao Aminy.

Koa aoka ianareo ho mpampihavana any an-tokantranonareo sy ny fiaraha-moninareo ary any amin’ny serasera an-jotra ataonareo. Amaivano ny fahoriana eo amin’ny manodidina anareo.

Ny hahatonga antsika ho olona hetsehina no tanjon’i Satana. Mifanohitra amin’izany kosa, ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana dia manome antsika fahafahana hihetsika, ho olona mpanao soa, hampisy fiadanana ary fanantenana.

Afaka manohitra ny fampielezam-baovao diso isika amin’ny alalan’ny fizarana vaovao mankahery sy feno fanantenana ary marina, amin’ny alalan’ny fahatongavana ho mpiaro ny fahamarinana fa tsy mpanjifa vaovao fotsiny. Azontsika atao ny mamaly ny faharatsiana amin’ny alalan’ny fanondrahana izao tontolo izao amin’ny fahazavana sy ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Araka ny nolazain’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson dia ny hoe: i Jesoa Kristy mandrakariva no valiny: “Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany”.

Nanasa antsika ny Filoha Nelson mba hanao ny maha-mpianany antsika ho ny “laharampahamehana ambony indrindra”. Manamafy orina ny maha-mpianatra antsika isika rehefa mianatra amin’i Jesoa Kristy sy ny momba Azy. Ndeha ary hozahantsika ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

Ireo virijiny folo

Ny Matio 25 dia ahitana fanoharana telo milaza izany. Voalohany, ny fanoharana momba ireo virijiny folo (jereo ny andininy 1–13). Ny dimy dia hendry ary ny dimy adala. Samy teo amin’ny toerana tokony ho izy avokoa izy folo, niandry ny mpampakatra, ary samy nitondra fanala ny tsirairay avy tamin’izy ireo.

Rehefa tonga tamin’ilay misasakalina tsy nampoizina ilay mpampakatra—izay maneho ny Mpamonjy—dia tsy ampy solika fitaiza ny fanalan’ny dimy tamin’ireo virijiny. Nihevitra angamba izy ireo fa tsy nilaina ny fananana solika fanampiny. Na koa mety tsy mpitantan-draharaha malina izy ireo tamin’ny solika fitaiza nananany. Mety ho varimbariana izy ireo ka tsy nahavita niomana araka ny tokony ho izy mba hampirehitra tsy tapaka ny fanalany.

Noho izany, ho valin’ny fangatahan’izy ireo mba hiditra ao amin’ilay fanasan’ny fampakaram-bady, dia niteny ilay mpampakatra hoe: “Tsy mahafantatra Ahy ianareo” (Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 25:11 , fanamarihana eny amin’ny farany ambanin’ny pejy a). Mifanohitra amin’izany kosa dia midika izany fa tamin’ny alalan’ny fiomanany sy ny fitantanan’izy ireo tamim-pahendrena ny raharahany, ireo virijiny dimy hendry dia nahafantatra Azy.

Azo raisina ho toy ny fiovam-pon’izy ireo manokana ilay solika fitaiza sarobidy. Nahatonga ireo virijiny hendry hamela hirehitra ny fanalany sy hiditra tao amin’ilay lanonam-panambadiana niaraka tamin’ilay mpampiakatra izany. Tsy azo nozaraina tamin’ny namany ilay solika fitaiza satria izany mihitsy ny fiovam-pon’ny tena manokana—an’ny tena manokana ilay izy. Afaka sy tokony hanainga ambony ny fanalantsika ary hampahery sy hisarika ny hafa ho amin’i Jesoa Kristy isika saingy mpitantan-draharaha amin’ny fiovam-pontsika manokana ny tsirairay avy amintsika.

Araka ny nambaran’ny Mpamonjy hoe: “Koa aoka ho mahatoky, hivavaka mandrakariva, hanana ny fanalanareo voakarakara sy mirehitra ary solika miaraka aminareo, mba ho vonona ianareo amin’ny fiavian’ny Mpampakatra.”(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:17; nampiana fanamafisana).

Ireo Talenta

Momba ireo talenta ny fanoharana faharoa tantaraina ao amin’ny Matio 25 (jereo ny andininy 14–30). Ao amin’ilay tantara, ilay tompo, ho fanomanana ny dia lavitra nataony, dia nanome talenta an’ireo mpanompony. Ny “talenta” iray dia naneho vola. Azontsika heverina ho toy ny fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao ary fitahiana avy amin’ny Raintsika any An-danitra ihany koa izy ireny. Nomen’ilay tompony talenta dimy ny mpanompo iray, nomeny roa ilay iray hafa ary nomeny talenta iray ilay fahatelo. Avy eo dia lasa nandeha ilay tompo.

Rehefa niverina izy dia nahita fa nahatoky sy mpitantan-draharana tsara ireo mpanompo nomeny talenta dimy sy talenta roa ary nampiasa tsara ny talentan’izy ireo, ka nampitombo avo roa heny ny habetsany. Koa nahatoky tamin’ny kely izy ireo dia nomen’ilay tompo bebe kokoa, ka hoy Izy: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao”. (andininy 21).

Mifanohitra amin’izay kosa, ilay mpanompo nanana talenta iray dia nandevina izany—angamba satria variana izy ary nanemotra fotoana. Na koa nahasorena azy ny tsy fahafantarana ny fomba hanombohana na matahotra ny tsy hahomby izy. Mety ho nampitaha ny tenany tamin’ireo mpanompo hafa izy ka nanakana azy tsy hanandrana ny fisalasalany. Tsy niomana tamin’ny fiverenan’ny tompony izy, tsy niaina ny fifaliana nentin’ny fitantanan-draharaha amim-pahatokiana ka very ny talentany.

Mitovy tantana ilay fanoharana momba ireo virijiny folo sy ilay fanoharana momba ireo talenta. Samy manamafy izy roa ireo fa tompon’andraikitra manokana amin’ny fiovam-pontsika isika ary tsy maintsy manomana ny tenantsika handray ny fanomezan’ny fisandratana atolotry ny Tompo—ary mpitantan-draharaha sy tompon’andraikitra manokana isika amin’ireo talenta sy fanomezam-pahasoavana izay nomena antsika.

Ny Ondrin’ilay Mpiandry Tsara

Farany, ny Matio 25 dia milaza ny tantaran’ireo izay manana “fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra”, izay nofaritana ho ny ondrin’ny Mpiandry ondry Tsara, hita eo ankavanany, mianoka ilay lanonam-pampiakarana miaraka Aminy ary notahiana mba ho mpanapaka ny be (jereo ny andininy 31–40). Hilaza amin’izy ireo ny Tompo hoe:

“Noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;

“Tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo” (Matio 25:35–36).

Amin’ny maha-mpianany antsika dia manomana ny tenantsika ho amin’ny Fiaviany Fanindroany isika ary mitantana amim-pahatokiana sy tsara ny zavatra nitahiana antsika isika. Ny fangorahana, fiantrana, hatsarana ary ny fitantanan-draharaha amim-pahatokiana dia tsy hoe mahatonga antsika ho mahafeno fepetra ny hiaina hiaraka Aminy fotsiny any aoriana, fa hanana fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra ihany koa ankehitriny. Araka ny nampianarin’i Môrmôna hoe ireo izay feno fiantrana, ny fitiavana madion’i Kristy, dia “soa ho [azy ireo] izany” amin’ny andro farany. Ho tahaka ny Mpamonjy izy ireo, hahita Azy tahaka ny maha-Izy Azy sy ho feno fanantenana ary ho madio tahaka Azy izay madio. (Jereo ny Môrônia 7:47–48). Nambaran’ny Filoha Nelson hoe: “Ny fiantrana sy ny hatsaram-panahy no fomba hahazoana fahatokiana eo anatrehan’ Andriamanitra!”

Sarin’ny lehilahy iray milanja zanak’ondry

Shepherd—Variation IV [Mpiandry ondry—Fiovana IV], nataon’i Jorge Cocco

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia mikarakara ny sahirana.

Ireo fanoharana telo ireo dia mampianatra ny fitantanana ny fiovampontsika manokana; ireo fanomezam-pahasoavana, sy talenta ary fananana izay nomena antsika; ary ireo mpifanolobodirindrina amintsika izay noana, tsy manan-kialofana, maratra ary reraka.

Mampianatra ny fomba tokony hiomanan’ireo mpianatr’i Kristy amin’ireo fotoan-tsarotra izay hialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany izy ireo. Izao andro iainantsika izao izany! Mila mitandro ny fanalan’ny fiovam-pontsika hirehitra hazava tsara isika, mamela ny fahazavantsika hamiratra, mampiasa sy mampivelatra ny talentantsika, ary mikarakara ireo izay sahirana. Izany hoe manana fiantrana, dia ny fitiavana madion’i Kristy izany.