“Torolalana iray avy ao amin’ny Testamenta Taloha hanekena ny toetra maha-andriamanitra”, Liahona, mar. 2026.
Avy amin’ny Ho an’ny tanora isan-kerinandro
Torolalana iray avy ao amin’ny Testamenta Taloha hanekena ny toetra maha-andriamanitra
Ireo olona ao amin’ny Testamenta Taloha dia mety nandinika ny sasany amin’ireo fanontaniana mety anananao sy izaho amin’izao fotoana izao.
Ny In the Beginning Was the Word [Tamin’ny voalohany ny Teny] izay nataon’i Eva Timothy, dia azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany
Handainga aho raha hilaza aminareo fa tsy mbola nanontany tena ny amin’ny anjara asako ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra.
Ahoana no ahafahako—amin’ny maha-tsy lavorary ahy—ho mety azo ampidirina ao amin’ny drafiny tonga lafatra? Ahoana no ahafahako ho mendrika ny indrafo omen’ny Ray any An-danitra ahy hatrany hatrany? Ahoana no ahafahako ho azo itokisana hizara ny fitiavany amin’ny hafa rehefa sahirana amin’ny fahatsapako izany manokana aho indraindray?
Raha toa ka tsy vaovao aminao ioeritreritra ratsy io dia tsy irery ianao.
Iray amin’ireo tetikady lehibe indrindra ampiasain’ny fahavalo ny manafika ny fahatakarantsika ny toetra maha-andriamanitra ananantsika. Nampianatra ny loholona Brian K. Taylor ao amin’ny fiadidian’ny fitopololahy hoe, “Ity ady lehibe mahakasika ny [toetra] maha-andriamanitra ity dia mbola iadian-kevitra hatrany, raha eo am-pampitomboana tsy ankiato ireo paik’ady mamitaka entina hamotehana ny finoantsika sy ny fahalalantsika ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra i Satana”.
Soa ihany fa nampianatra—ary manohy mampianatra—ireo zanany momba ny hasarobidin’izy ireo ny Ray any an-danitra. Hatrany am-piandohana dia mety efa nohalalinin’ny olona ao amin’ny soratra masina ny sasany amin’ireo fanontaniana mety anananao sy izaho amin’izao fotoana izao.
Rehefa mandalina ny Testamenta Taloha ianao amin’ity taona ity dia afaka mianatra momba ny toetra maha-andriamanitra anananao manokana amin’ny alalan’ny fampiharana ny zavatra niainan’ireo olona ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao manokana. Ary angamba hahita ireo valin’ny fanontaniana tena manan-danja ianao eny an-dalana:
Iza moa aho?
Izaho dia …
Natokisana ho mpitantan-draharaha masina
I Adama sy i Eva dia nanamarika ny fiantombohan’ny filàn’ny olombelona hahatakatra ny toetra maha-andriamanitra ananany. Noharian’ny Ray any An-danitra araka ny endriny izy ireo, nomeny ny fitantanan-draharaha teto an-tany sy ny zava-manan’aina rehetra eo aminy, ary nodidiany hihamaro sy hameno ny tany (jereo ny Mosesy 2:26–28).
Amin’ny maha-taranak’i Adama sy i Eva anao dia azonao ampiharina amin’ny tenanao ireo fitsipiky ny toetra maha-izy azy anao ireo. Fanahy zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny ianao ary manana andraikitra masina ny hiasa ho toy ny mpitantan-draharaha hendry sy hanorina fianakaviana mandrakizay.
Noho i Adama sy Eva nihinana ny voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia noroahina tany ivelan’ny Sahan’i Edena izy ireo. Na dia nosarahina hiala teo anatrehan’ny Ray any An-danitra aza izy ireo, na ara-nofo na ara-panahy, dia nanome Mpamonjy iray Izy mba hanampiana azy ireo handresy ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Tahaka an’i Adama sy i Eva, ny hasarobidinao dia “lehibe eo imason’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).
Izaho dia …
Zanaky ny fanekempihavana natao tamin’i Abrahama.
Mifamatotra mivantana amin’ny toetra maha-andriamanitra ny tantaran’i Abrahama. Nanao fampanantenana misy vokatra mandrakizay ho an’i Abrahama ny Tompo:
“Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao:
“Ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 12:2–3).
Taorian’ny taona maro niandrasana tamim-pinoana dia voatahy i Abrahama sy i Saraha ka niteraka an’i Isaka zanakalahin’izy ireo. Avy eo Andriamanitra dia nandidy an’i Abrahama hanao sorona an’i Isaka ho “tandidon’ Andriamanitra sy ny Zanany Lahitokana” (Jakôba 4:5). Rehefa nampiseho i Abrahama fa vonona ny hanao sorona toy izany, dia nosakanan’ny anjelin’ny Tompo iray.
Mamaky isika hoe:
“Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao:
“dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony;
“Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao” (Genesisy 22:16–18).
Io tantara mahery vaika io dia mampianatra fa ireo rehetra izay manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra dia afaka mahazo ireo fitahiana nampanantenaina ny taranak’i Abrahama. Amin’ny maha-zanaky ny fanekempihavanana anao dia afaka mahazo ireo fitahiana nampanantenain’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama ianao amin’ny alalan’ny fifikirana amin’ireo fampanantenana ataonao amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo fanekempihavanan’ny batisa na ny tempoly.
Izaho dia …
Mpianatra mahari-perin’ny Tompo
Hagara—ny ankizivavin’i Sarah sy ny renin’i Ismaela—dia mampianatra antsika ny fahaizana mahatalanjona ananantsika amin’ny faharetam-pery. Taorian’ny nahaterahan’i Isaka, zanakalahin’i Abrahama sy Saraha, dia noroahina nankany an’efitra i Hagara sy i Ismaela (jereo ny Genesisy 21:9–14).
Rehefa nahita ny fahoriany sy ny fitalahoany tamin-kitsim-po ny amin’ny fiainan’i Ismaela ny Tompo dia nandefa anjely iray mba hampionona azy: “Aza matahotra, fa efa ren’ Andriamanitra ny feon’ny zaza eo amin’ny itoerany. Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy” (Genesisy 21:17–18).
Na dia nahatsapa ho irery tanteraka tany an’efitra aza i Hagara dia tsy nandao azy ny Ray any An-danitra. Voaro izy ary nahazo valisoa noho ny finoany sy ny fahazotoany.
Tahaka an’i Hagara dia mety hahatsapa ho toy ny hoe mirenireny any an-tany foana ianao. Saingy tena sarobidy amin’ny Rainao any An-danitra ianao. Mety hirenireny any an-tany foana mandritra ny fotoana iray ianao, saingy tsy nanadino anao Izy. Manomana anao hanao zavatra lehibe Izy ho fananganana ny fanjakany.
Izaho dia …
Tanan’ Andriamanitra eto an-tany
Nantsoin’ny Ray any An-danitra hanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana tany Egypta i Mosesy. Nanatanteraka fahagagana mahery vaika izay nitarika ny fandosiran’izy ireo izy (jereo ny Eksodosy 7; 14).
Na dia nahomby aza i Mosesy tamin’ny antsony dia tsy natoky tena foana tamin’ny fahafahany manao araka ny nangatahan’ny Ray any An-danitra azy izy. Rehefa naneho ny fahatsapany ho tsy mahavita azy i Mosesy dia namaly ny Tompo hoe: “Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an’ Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo” (Eksodosy 3:12).
Nanaiky ny maha-zanak’ Andriamanitra azy i Mosesy ary nandray ny herin’ny Ray any An-danitra mba hanatanterahana ireo fahagagana nataony. Tahaka an’i Mosesy dia afaka mahazo hery hanaovana ny asan’ Andriamanitra ianao rehefa manaiky ny fifandraisanao mandrakizay amin’ny Ray any An-danitra.
Izaho dia …
Koa, iza ary ianao?
Izao no fotoana hahitanao ny valiny ho an’ny tenanao manokana.
Diniho ao amin’ny soratra masina ny valin’ireo fanontanianao, dia hahita izany ianao. Tian’ny Ray any An-danitra ho takatrao tsara hoe iza ianao mba hahafahanao mitia ny tenanao tahaka ny hitiavany anao.
Ny fahalalana ny toetra maha-andriamanitra anananao mandrakizay dia efa eo anoloanao—koa inona no andrasanao?