Liahona
Kaiafa ilay mpisoronabe
Liahona martsa 2026


“Kaiafa ilay mpisoronabe”, Liahona, mar. 2026.

Nahafantatra ny Mpamonjy izy ireo

Kaiafa ilay mpisoronabe

Jamban’ny zavatr’izao tontolo izao, ary na dia teo aza ireo fahafahana misokatra maro, dia tsy nahafantantra ny Mesia izy.

sary maneho an’i Kaiafa ilay mpisoronabe

Sary nataon’i Laura Serra, tsy azo adika

Rehefa avy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty ny Mpamonjy dia nanao filankevitra ireo mpitarika Jiosy matanjaka indrindra mba hanapa-kevitra ny amin’ny hanaovana an’i Jesoa. Natahotra ny lazany teo amin’ny vahoaka izy ireo satria nanatanteraka fahagagana maro Izy. (Jereo ny Jaona 11:47.)

I Kaiafa no nitarika io filankevitra io amin’ny maha-mpisoronabe mpiahy sy mpitarika ny Synedriona azy, komity mpitantana ny Jiosy nandritra ny fifehezana Romana. Amin’ny maha-mpisoronabe azy dia nanara-maso ireo ôrdônansin’ny tempoly izay natao hanondroana an’i Kristy izy.

Saingy rehefa tonga i Kristy dia tsy nahafantatra ny Mpamonjy izy. Vao mainka ratsy aza, niray tetika hamono Azy izy. Anisan’ny zavatra mahatsikaiky indrindra voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao izany.

Tenin’ny mpaminany

Na dia teo aza ny anjara asa lehibe nosahaniny dia kely ny zavatra fantatra momba an’i Kaiafa. In-tsivy monja izy no voatonona ao amin’ny Testamenta Vaovao. Niasa ho toy ny mpanelanelana teo amin’ny Jiosy sy ny Romana izy. Sadoseo izy, izay antokom-pivavahana Jiosy tamin’ny andron’i Kristy izay tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty (jereo ny Asan’ny Apostoly 23:8).

Niresaka tao amin’ilay filankevitra i Kaiafa taorian’ny nananganan’i Kristy an’i Lazarosy tamin’ny maty, fahagagana iray izay mety nanahirana azy sy ireo Sadoseo hafa noho ny finoan’izy ireo.

Nanao teôria ilay filankevitra fa raha tsy nanao na inona na inona izy ireo ho setrin’io fahagagana fanta-daza io dia hino ny olona fa i Jesoa no Ilay Mesia, ilay Mpanjakan’ny Jiosy, “ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika” (Jaona 11:48).

“Hianareo tsy mahalala na inona na inona”, hoy i Kaiafa namaly, “na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena” (Jaona 11:49–50).

Nanamarika ny Apôstôly Jaona fa nilaza i Kaiafa hoe “tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa Jesoa ho faty hamonjy ny firenena;

“ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’ Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray” (Jaona 11:51–52).

Fanamelohana

Niseho indray ny anaran’i Kaiafa ao amin’ny Testamenta Vaovao rehefa natao fanadihadiana i Kristy talohan’ny nanomboana Azy.

“Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin’ Andriamanitra velona Ianao hilaza aminay, raha Ianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra” (Matio 26:63).

Nohamafisin’i Jesoa fa Izy ilay: “Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tanana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra” (Matio 26:64). Ho setrin’izany dia nandà ny Mpamonjy indray i Kaiafa. “Ary tamin’izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy” (Matio 26:65).

Na dia teo anatrehan’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao aza, ilay voatendry mialoha mba hanonitra ny fahotan’ny olombelona rehetra sy hiaritra ny fanaintainana, sy ny alahelo ary ny fahoriana rehetra, dia tsy nahafantatra i Kaiafa fa i Jesoa no Kristy, ary nanameloka Azy Izy.

Velona ny Zanak’ Andriamanitra

Voatonona indray i Kaiafa ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Asan’ny Apôstoly 4. Ny firaketana dia mitantara ny fomba nanasitranan’ny Apôstôly Petera lehilahy iray izay nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:1–8). Avy eo, rehefa nitory ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty izy sy i Jaona dia nosamborina teo ambany fahefan’ny Synedriona. Nogadraina nandritra alina izy ireo ary nentina teo anatrehan’ny filankevitra iray izay nahitana an’i Kaiafa sy i Anasy rafozandahiny, ny mpisoronabe teo aloha. (Jereo ny Asan’ny Apostoly 4:1–6; jereo koa ny Jaona 18:13.)

Rehefa nanontaniana hoe fahefana avy aiza no nanasitranany an’ilay lehilahy, dia namaly i Petera hoe: “Dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’io lehilahy io finaritra eto imasonareo” (Asan’ny Apostoly 4:10).

Teto no fahafahana nisokatra voarakitra farany haneken’i Kaiafa an’i Kristy. Nandrahona an’i Petera sy i Jaona anefa ilay filankevitra. Saingy ny fandrahonan’izy ireo dia tsy nanova an’ilay fahamarinana hoe: velona i Kristy. (Jereo ny Asan’ny Apostoly 4:13–22.)

Tamin’ny alalan’ny hery sy ny fahefan’i Jesoa Kristy no nanasitranan’i Petera ilay lehilahy malemy. Torak’izany koa, afaka mitranga ny fahagagana ankehitriny amin’ny alalan’ny fisoronan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny sy amin’ny alalan’ny finoana ny anarany. Tsotra ny lesona azontsika ianarana avy amin’i Kaiafa. Tsy nanaiky an’i Jesoa ho ilay Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra izy, fa isika kosa afaka manao izany. Rehefa mino Azy isika, dia hanaraka ny famantarana, sy ny zava-mahatalanjona, ary ny fahagagana (jereo ny Marka 16:17–18).

Fanamarihana

  1. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Kaiafa”.