Liahona
Ilay vaovao mahafaly
Liahona martsa 2026


“Ilay vaovao mahafaly”, Liahona, mar. 2026.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ilay vaovao mahafaly

Noho ny Sorompanavotana tsy manam-petran’ny Mpamonjy dia fantatro fa hahita ilay namako indray aho.

sary fanehoana vehivavy anankiroa

Sary nataon’i Briana Kranz

Amin’ny maha mpiara-monina anay dia nihaona izaho sy i Maritza fony izahay mbola tanora. Na zokiko aman-taonany vitsivitsy aza izy dia lasa mpinamana be izahay ary tena akaiky.

Tamin’ny faha-19 taonako izay fotoana nilako fitarihana dia nampahafantatra ahy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno izy. Efa nahafantatra kely momba ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny alalan’ny dadatoako sy ny renibeko aho. Mpikamban’ny Fiangonana voalohany tao amin’ny fianakaviako izy ireo.

Niaraka tamiko i Maritza nandritra ny lalan’ny fiovam-poko, nanampy ahy hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany, ary nandray ahy an-tanan-droa isaky ny nila azy aho.

Nianatra avy taminy ny fifaliana avy amin’ny fiainana ny filazantsara tamin’ny fahatsorana sy ny fahavononana aho. Nahafinaritra ahy ny fahaizany mifandray aman’olona, ny fomba fampiraisany ny fianakaviana sy ny namany ary ny fitozoany amin’ny fanatratrarana tanjona ara-nofo sy ara-panahy. Nianatra avy taminy aho fa rehefa mahita ny fahamarinana isika dia tsy maintsy mampihatra ny zavatra ianarantsika, mitandrina ny didy sy mampihatra ireo fampianaran’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika sy ny fianakaviantsika. Mba hijanonana ho mahatoky dia tsy maintsy manana herim-po isika amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ary miezaka ny hifikitra mafy amin’ny finoantsika na dia eo aza ny fahoriana.

Tamin’ ny 2010 dia maty tao anaty lozam-piarakodia i Maritza. Fotoana nampahory ahy izany, saingy amin’ny alalan’ny drafitry ny famonjena sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia fantatro fa hahita azy indray aho. Fantatro fa mbola manohy izy any amin’izay misy azy any amin’izao miaraka amin’ilay toetra feno fifaliana sy fahavitrihana izay nampiavaka azy teto an-tany.

Fantatro fa io “fotoana fizahan-toetra” (Almà 12:24) io dia tsy fiafarana. Fantatro fa hitantsika indray ny fianakaviantsika sy ireo namantsika aorian’ny fahafatesantsika. Hahita azy ireo, sy hiarahaba azy ireo, ary hiaraka amin’izy ireo indray isika. Hiaina ilay fahatsapana fitiavana nananantsika teto an-tany isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2). Any ireo olona ao amin’ny fianakaviako. Fantatro fa any koa i Maritza.

Niresaka tamim-pifaliana tamin’ny olona rehetra momba ny filazantsara i Maritza teto an-tany. Azoko antoka fa manao zavatra mitovy amin’izany izy any amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:57). Mampianatra momba ny Sorompanavotana tsy manam-petran’ny Mpamonjy izy sy ny vaovao mahafaly fa noho Izy sy amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly dia afaka miverina eo anatrehany sy eo anatrehan’ny Ray isika mba hiaina ho fianakaviana mandrakizay.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Joseph F. Smith, Gospel Doctrine, 5th ed. (1939), 461.