Liahona
Ny Mpamonjy iray tonga lafatra ve afaka mahatakatra izany hoe sahirana izany?
Liahona martsa 2026


“Ny Mpamonjy iray tonga lafatra ve afaka mahatakatra izany hoe sahirana izany?,” Liahona, mar. 2026.

Avy amin’ny Ho an’ny tanora isan-kerinandro

Ny Mpamonjy iray tonga lafatra ve afaka mahatakatra izany hoe sahirana izany?

Noho i Jesoa Kristy tonga lafatra dia hadinontsika indraindray fa fantany hoe manao ahoana izany sahirana izany.

sarin’i Jesoa Kristy

Sary nataon’i Brandon Gonzales

Mihevitra aho mazàna fa tsy voakasiky ny fanampiana masin’i Kristy rehefa mandalo fotoan-tsarotra. Mieritreritra aho indraindray fa Izy, ilay Mpamonjy tsy manam-pahotana sy tonga lafatra, dia tsy afaka mahatakatra na oviana na oviana hoe manao ahoana izany hoe sahirana izany.

Tsaroako manokana ny fahatsapana toy izany fony aho misiônera. Niaina fahasahiranana lehibe aho vao nahatsapa fa fantatr’i Kristy hoe manao ahoana izany mandalo fotoan-tsarotra izany.

Ahoana no ahafantarany ny zavatra tsapako?

Nihevitra aho fa nahatratra ny faratampony tamin’ny asa fitoriana nataoko—nanofana misiônera vaovao aho, nanomana olona ho amin’ny batisa, ary nandray anjara feno tamin’ny zavatra mikasika ny asa fitoriana rehetra. Nahatsiaro ho faly tokoa aho.

Saingy tsy fantatro ny anton’ny rarin-tsaina sy ny tebiteby tao anatiko.

Teo am-patoriana aho indray alina rehefa nanomboka nahatsapa tahotra faharoa lehibe indrindra teo amin’ny fiainako—Ny voalohany dia nitranga sivy taona talohan’izay. Sivy taona!

Nahoana, taorian’ny fotoana kely nisian’ny tebiteby fony aho mbola zaza, no nipongatra tampoka teo izany ankehitriny?

Niezaka mafy aho nanohy ny asa fitoriana nataoko tamin’ny fomba mahazatra, tamin’ny fieritreretana fa afaka manitsy ny olako manokana aho.

Raha nitolona tamin’ny fahasalamako ara-tsaina aho dia nisy olona iray nizara tamiko hevi-baovao iray izay nananan’izy ireo rehefa namaky momba ny zavatra niainan’ny Mpamonjy tao Getsemane.

Hoy i Jesoa hoe: “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty”. Hoy Izy tao amin’ny sahan’i Getsemane hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Matio 26:38–39).

Efa nahatsapa ny havesatry ny alahelonao manokana ve ianao? Efa nanontany an’ Andriamanitra ve ianao hoe: “Misy fomba hafa ve?”

Nanaiky ny sitrapon’ny Ray ny Mpanavotra antsika tamin’ny fahavononana tonga lafatra sy fankatoavana tonga lafatra ary fitiavana tonga lafatra. Tonga lafatra Izy satria tsy nanam-pahotana, saingy mbola nahatsapa fanaintainana sy alahelo ary fanirery ihany.

Raha ny tena izy dia nidina tambany noho ny zava-drehetra Izy—mba hahafahany manandratra antsika.

Nampianatra ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “I Jesoa dia -lehilahy ory- [Isaia 53:3], hoy ny soratra masina. Niaina alahelo, hasasaram-be, fahadisoam-panantenana ary fahatsapana ho irery mahavaky fo Izy. Amin’ireny fotoana ireny sy amin’ny fotoana rehetra dia tsy levona ny fitiavan’i Jesoa ary toy izany koa ny an’ny Rainy”.

Fantatr’i Kristy tsara ny zavatra tsapantsika

Ny fahafantarana fa niatrika zava-tsarotra i Kristy dia mampahatsiahy ahy fa mahatakatra ratram-po, fahaketrahana, harerahana, fahadisoam-panantenana, tebiteby ary fanirery mihoatra noho ny olona rehetra Izy.

Izy no nitomany tamin’ny fahafatesan’i Lazarosy (jereo ny Jaona 11:33–36). Ary Izy ilay nanontany raha teo amin’ny hazofijaliana Izy nanao hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy Ahy Ianao?” (Marka 15:34).

Saingy mahafantatra fifaliana, fitiavana, fangorahana, famindram-po ary fiadanana mihoatra noho ny olona rehetra ihany koa i Jesoa Kristy. Satria tonga lafatra Izy. Noho izany dia fantany tanteraka ny zavatra tsapantsika.

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Holland nanao hoe: “Isan’ny fampiononana lehibe amin’izao vaninandro Paska izao ny hoe, na dia nandeha irery tanteraka tamin’ny lalana lavitra sy mitokana aza i Jesoa, isika dia tsy voatery hanao izany. Ny diany samirery dia nahatonga antsika hahazo tari-dalana amin’ilay ampahan-dalana kely lalovantsika—ilay fikarakarana feno famindram-pon’ny Raintsika any An-danitra, ny fiarahana tsy tapaka avy amin’ity Zanaka Malala ity, ilay fanomezana ny Fanahy Masina izay lehibe indrindra”.

Noho ny fahatsapako fa takatr’i Jesoa Kristy tsara ny zavatra tsapako rehefa sahirana tamin’ny tebiteby aho dia navelako hanampy ahy hanaisotra ny enta-mavesatro Izy tamin’ny farany.

Tsy niala tampoka ny tebitebiko. Mbola mandalo andro sarotra maro aho. Saingy ny fanakaikezana an’i Kristy dia mbola nanome ahy fifaliana maharitra ihany satria fantatro fa teo izy niaraka tamiko, nanao hoe: “Fantatro. Fantatro tsara ny zavatra tsapanao”.

Nandritra io zavatra niainana io dia lasa ilay olona atokisako akaiky ahy indrindra i Kristy.

Mihevitra aho fa indraindray isika dia mora mieritreritra fa ny fahatanterahan’i Kristy dia midika hoe lavitra sy tsy azo takarina Izy, fa ireo asa lehibe nataony sy ny fiainany mahagaga dia mahatonga Azy ho toy ny lavitra antsika olon-tsotra sy tsy lavorary ary feno avonavona. Saingy tsy manakaiky antsika mihoatra noho ny rehefa miatrika ny ady mafy indrindra atrehintsika sy ny alahelo mavesatra indrindra ananantsika, ary ireo fahasahiranana mafy indrindra ananantsika Izy.

Amin’izao vanim-potoanan’ny Paska izao dia afaka mahatsiaro isika fa fantatr’i Jesoa Kristy tsara ny hoe toy ny ahoana izany sahirana izany satria tonga lafatra Izy—ilay hany olona afaka mahatsapa ny fanaintainantsika sy mitondra ny enta-mavesatsika.

Koa rehefa sahirana ianao dia mitodiha any Aminy. Mahatakatra tanteraka Izy.

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland, “Izaho no Izy”, Liahona, nôv. 2024, 78.

  2. Jeffrey R. Holland, “None Were With Him”, Liahona, May 2009, 88.