Liahona
Josefa avy any Arimatia: Ireo faniriana marina sy ireo fahagagana ataon’ Andriamanitra
Liahona martsa 2026


“Josefa avy any Arimatia: Ireo faniriana marina sy ireo fahagagana ataon’ Andriamanitra,” Liahona, mar. 2026.

Nahafantatra ny Mpamonjy izy ireo

Josefa avy any Arimatia: Ireo faniriana marina sy ireo fahagagana ataon’ Andriamanitra

Iza moa i Josefa avy any Arimatia, ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny anjara asany ao amin’ny tantaran’ny Paska?

sarin’i Josefa avy any Arimatia

Sary nataon’i Laura Serra, tsy azo adika

Nitana anjara toerana manan-danja tao amin’ny tantaran’ny Paska i Josefa avy any Arimatia, izay nanampy ny Tompo rehefa nahatontosa ny fandresena lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona Izy. Rehefa nohomboana tamin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy dia “sahy niditra tao amin’i Pilato [i Josefa] ka nangataka ny fatin’i Jesoa” (Marka 15:43). Taorian’ny nandaozan’ny olona maro ny Tompo tao anatin’ny fotoana niainany famoizam-po dia inona no nitarika an’i Josefa hijanona sy handray anjara tamin’ity dingana lehibe tokoa tamin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy ity?

Ny tsy fivadihany dia mety ho toa mifanohitra amin’ny toerany amin’ny maha-mpanolotsaina nanan-karena azy tao amin’ny Synedriona, ilay komity Jiosy izay nahitana Fariseo sy Sadoseo izay nanameloka an’i Kristy ho faty (jereo ny Matio 27:1, 57). Ankoatra izany, i Josefa dia nihazona ho tsiambaratelo ny maha-mpianatr’i Kristy azy “noho ny fahatahorany ny Jiosy” (Jaona 19:38).

Namiratra ihany anefa ny fanolorantenany nony farany. “Tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ny sasany” izay nifofo ny ain’ny Mpamonjy izy (jereo ny Lioka 23:50–51). Ary taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy dia nofonosin’i Josefa tao anaty hariry ny vatan’ilay Mpampianatra ary napetrany tao amin’ny fasany vaovao (jereo ny Matio 27:59–60; Lioka 23:52–53). Izany dia fahatanterahan’ny faminaniana fa ny fasan’i Kristy dia hiaraka amin’ilay mpanankarena (jereo ny Isaia 53:9).

Nitsangana tamin’ny maty Izy

Tamin’ny nanomezany ny fasany ho fandevenana ny Mpamonjy dia nanampy tamin’ny fanatanterahana ny faminaniana sy nanomana lalana ho amin’ny fijoroana ho vavolombelona mahagaga momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty i Josefa avy any Arimatia. Tamin’ny andro fahatelo taorian’ny Fanomboana dia nahita ny fasana foana ireo mpanara-dia an’i Kristy, ary nanambara ny feon’ny anjely hoe: “Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ny Tompo” (Matio 28:6).

“Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia vavolombelon’ny maha Andriamanitra Azy ary koa ny hoe nandresy ny zava-drehetra Izy,” hoy ny nampianarin’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ny Fitsanganany tamin’ny maty dia vavolombelona fa raha miray Aminy ao amin’ny fanekempihavanana isika, dia ho afaka koa handresy ny zava-drehetra ary ho tonga iray. Ny Fitsanganana tamin’ny maty dia vavolombelona fa noho Izy dia tena misy ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay”.

Mety tsy nahalala ny zavatra nomeny tamin’io Paska voalohany io i Josefa ankoatra ny faniriany haneho fanajana an’i Jesoa Kristy. Saingy nampiasain’ny Tompo ny faniriana marina nananan’i Josefa ho isan’ny fahagagana faratampony nataony, dia ny mba ho “santatr’izay efa nodi-mandry” (1 Korintiana 15:20), ny voalohany hitsangana amin’ny maty.

Tahaka an’i Josefa izay nanana anjara asa manan-danja nosahanina, dia afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ny Ray any An-danitra ihany koa isika tsirairay avy. Ny drafiny dia ho an’ny olona rehetra, ary hijery ny fahaiza-manaontsika sy ny zavatra iainantsika ary ny toe-javatra misy antsika Izy mba hampandrosoana ny asany lehibe. Amin’ity Paska ity dia afaka mahatsiaro io hafatra io isika ary mikatsaka an’i Jesoa Kristy, mahafoy izay azontsika afoy mba hanampiana amin’ny fanorenana ny fanjakany sy hamelana ny fahagagany hitranga eo amin’ny fiainantsika.