Liahona
Tomasy: Mandeha eo amin’ny lalan’ny finoana
Liahona martsa 2026


“Tomasy: Mandeha amin’ny lalan’ny finoana,” Liahona, mar. 2026.

Nahafantatra ny Mpamonjy izy ireo

Tomasy: Mandeha eo amin’ny lalan’ny finoana

Ny tantaran’i Tomasy dia mampiseho amintsika fa ireo fanontaniana sy faharetana ary fahazoana fijoroana ho vavolombelona dia tafiditra ao anatin’ny fampitomboana ny finoantsika sy ny faharesen-dahatra ananantsika.

sary maneho ny Apôstôly Tomasy

Sary nataon’i Laura Serra, tsy azo adika

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa maheno ny anaran’i Tomasy mpianatry ny Mpamonjy ianao? Matetika isika no mampifandray ny anarany amin’ny hoe “mpisalasala” na “fisalasalana”.

Saingy mbola misy zavatra betsaka kokoa momba an’i Thomas. Ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona isika dia mahita ny lalan’ny finoan’i Tomasy izay mety hahitana taratra ny antsika: Ny finoana dia mety hihamafy orina rehefa mandeha ny fotoana ka mino sy manao asa isika mba hampitomboana ny finoantsika.

Tsy maninona ny mananana fanontaniana

Niantso an’i Tomasy i Jesoa Kristy mba ho iray amin’ireo Apôstôliny Roambinifolo, ary nanaraka ny Mpamonjy nandritra ny telo taona nanompoany i Tomasy. Nanana fitiavana feno fanolorantena ho an’ny Mpamonjy izy. Rehefa natahotra ny amin’ny ain’ny Tompo i Tomasy dia nitaona ireo Apôstôly hafa izy hoe: “Andeha isika mba hiara-maty aminy” (Jaona 11:16).

Tao anatin’ny fanolorantenany dia mbola nametra-panontaniana ihany izy. Talohan’’i Getsemane dia nampianatra ireo mpianany i Jesoa fa handeha. Nanontany i Tomasy hoe: “Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?”

Namaly i Jesoa hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:5–6).

Tahaka an’i Thomas, dia mety tsy takatsika avokoa ny fampianaran’ Andriamanitra rehetra na ny lafiny rehetra amin’ny drafitry ny famonjena. Saingy ny fametrahana fanontaniana tsara dia hahafahana mahazo fanambarana fahamarinana avy amin’ny Tompo. Ilaina ny mampitombo ny finoantsika.

Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:

“Raha manana fanontaniana ianareo—ary manantena aho fa manana ianareo—dia mitadiava valiny miaraka amin’ny faniriana mafy ny hino. …

… Ny fanontanianareo amin-kitsimpo, apetraka amim-pinoana, dia hitarika hatrany amin’ny finoana lehibe kokoa sy fahalalana betsaka kokoa”.

Finoana ampitahaina amin’ny tahotra

Rehefa naheno ireo Apôstôly fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia “nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany” (Lioka24:11). Mety naharitra kokoa noho ny an’ny hafa ny fotoana nisalasalan’i Tomasy satria tsy teo izy tamin’ny fotoana voalohany nisehoan’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty tamin’izy ireo (jereo ny Jaona 20:24).

Rehefa avy nolazan’izy ireo i Tomasy fa nahita ny Mpamonjy izy ireo dia namaly izy hoe: “Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho” (Jaona 20:25).

Valo andro taty aoriana dia niseho indray ny Tompo ary nasainy niatsapa ny ratrany i Tomasy. Ho valin’izany dia nanambara i Tomasy hoe: “Tompoko sy Andriamanitro” (Jaona 20:28). Dia nampianatra fahamarinana manan-danja avy eo ny Mpamonjy manao hoe: “Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino” (Jaona 20:29).

Tonga ny valiny. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy hoe: “Ny vavaka amin-kitsimpo dia re ary valian’ny Raintsika any An-danitra daholo, fa ny valiny voaraintsika no mety tsy ilay andrasantsika, na amin’ny fotoana ilantsika hahatongavany, na amin’ny fomba anampoizantsika izany”.

Faharesen-dahatra izay maharitra

Rehefa mahazo valiny amin’ny alalan’ny faharetana sy ny vavaka ary ny fanambarana isika dia afaka mahazo faharesen-dahatra ihany koa—fijoroana ho vavolombelona. Raha kolokolointsika hatrany ny finoantsika dia afaka mijanona miaraka amintsika mandritra ny fiainana manontolo izany fijoroana ho vavolombelona izany. Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson hoe: “Rehefa manaja amim-paharetana ny fotoanan’ny Tompo ianao, dia homena ny fahalalana sy ny fahatakarana izay katsahinao. Ho tonga aorian’izay ireo fitahiana rehetra nomanin’ny Tompo ho anao, ary fahagagana ihany koa aza. Izany no zavatra entin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana ho anao”

Ny zavatra niainan’i Tomasy dia mampiseho amintsika fa ny finoana dia tsy toetra ho tratrarina fa dingana arahina. Manaja izany dingana izany Andriamanitra ary mitahy antsika rehefa mandray ny fitarihany hatrany isika sy mikatsaka fijoroana ho vavolombelona izay milaza fiadanana ao am-pontsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63).